Gregôrio Lehibe
Gregôrio Lehibe | |||
Ankapobeny | |||
Anarana | Gregôrio Lehibe | ||
Teraka | taona 540 | ||
Maty | 15 Martsa 604 | ||
Fiaviana sy ny andraikitra | |||
Firenena | Italia | ||
Asa : | Tsy fantatra | ||
Fiainana manokana | |||
I Gregôrio Lehibe na Gregoara Lehibe , izay atao hoe Gregôrio I na Gregoara I koa, no papa faha-64 ao amin' ny Eglizy Katôlika. Izy no nanao ny asasoratra lehibe maro momba ny patristika izay nanamarika sy mbola manamarika ny tantaran' ny Fiangonana. Teraka tamin' ny taona 540 teo ho eo tao Rôma izy, voafidy ho papa tamin' ny taona 590 ary maty tao Rôma tamin' ny 12 Marsa 604.
Mpampianatry ny Fiangonana izy sady iray amin' ny Rain' ny Fiangonana Tandrefana dimy, miaraka amin' i Ambrôsio avy any Milano, i Aogostino avy any Hipôna, i Hierônimo avy any Stridôna ary i Ireneo avy any Logdonoma. Nisy vokany be nandritra ny Andro Antenatenany ny asany.
Ho fanomezam-boninahitra azy ny hira novolavolaina tao amin' ny Abein' ny diôsezin' i Metz, taonjato roa taorian' ny nahafatesany, antsoina hoe "hira gregôriana" (tsy fantatra mazava ny anjara asany amin' ny fivoarana sy ny fanaparitahana io hira litorjika io).
Nanomboka tamin' ny Kônsily Vatikana Faharoa dia nankalaza azy ny Eglizy Katôlika isaky ny 3 Septambra; mankalaza azy foana ny Fiangonana Ôrtôdôksa amin’ny 12 Martsa.
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]Rohy ivelany
[hanova | hanova ny fango]- Ao amin'i Freebase: [1] Archived Desambra 23, 2015 at the Wayback Machine