Gregôrio Lehibe

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Grégoire Ier)
Gregôrio Lehibe
Ankapobeny
Anarana Gregôrio Lehibe
Teraka taona 540
Maty 15 Martsa 604
Fiaviana sy ny andraikitra
Firenena Italia
Asa : Tsy fantatra
Fiainana manokana

I Gregôrio Lehibe na Gregôrio I no papa faha-64 ao amin' ny Eglizy Katôlika. Izy no nanao ny asasoratra lehibe maro momba ny patristika izay nanamarika sy mbola manamarika ny tantaran' ny Fiangonana. Teraka tamin' ny taona 540 teo ho eo tao Rôma izy, voafidy ho papa tamin' ny taona 590 ary maty tao Rôma tamin' ny 12 Marsa 604.

Mpampianatry ny Fiangonana izy sady iray amin' ny Rain' ny Fiangonana Tandrefana dimy, miaraka amin' i Ambrôsio avy any Milano, i Aogostino avy any Hipo, i Hierônimo avy any Stridôna ary i Ireneo avy any Logdanoma. Nisy vokany be nandritra ny Andro Antenantenany ny asany.

Ho fanomezam-boninahitra azy ny hira novolavolaina tao amin' ny Abein' ny diôsezin' i Metz, taonjato roa taorian' ny nahafatesany, antsoina hoe "hira gregôriana" (tsy fantatra mazava ny anjara asany amin' ny fivoarana sy ny fanaparitahana io hira litorjika io).

Nanomboka tamin' ny Kônsily Vatikana Faharoa dia nankalaza azy ny Eglizy Katôlika isaky ny 3 Septambra; mankalaza azy foana ny Fiangonana Ôrtôdôksa amin’ny 12 Martsa.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Rohy ivelany[hanova | hanova ny fango]

Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.