Fonon-teny mahitsy

Avy amin'i Wikipedia

Ny fonon-teny mahitsy na fonosana mahitsy ([...]) dia mari-panoratana ampiasaina rehefa tiana haseho fa nisy nodinganina ny tonon-tsiahy (tamin' ny fitaterana araka ny nilazan' ilay olona azy) ka ny teboka telo antin' ireo fonon-teny mahitsy ireo no misolo toerana izany andian-teny nodinganina izany. Ampiasaina koa ny fonon-teny mahitsy raha hampiditra teny anaty fonon-teny izay efa nialohavana teny anaty fonon-teny tsotra mbola tsy mikatona, toy izao: (... [...] ...). Ampiasaina koa ny fonon-teny mahitsy raha maneho an-tsoratra ny fomba fanonona ny teny iray amin'ny alala'n' ny fampiasana ny abidy ara-drafi-peo iraisam-pirenena (ohatra: aglisy: bike [baik]).

Ampiasaina ny fonon-teny mahitsy ao anaty fonon-teny tsotra amin' ny fanaovana asamarika na kajy. Ohatra: 2 x ([11+17] x [14+5]) na ny mifamadika amin' io: 2 x [(11+17) x (14+5)]. Amn' ny jeômetria dia ampiasaina hanoratana ny kantsana koa ny fonosana mahitsy, ohatra: [AB]. Mety hapiasaina miaraka amin' ny fonosana tsotra koa izany hanehoany ny antsasa-kitsy: [AB), (CD]

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]