Abidy ara-drafipeo iraisam-pirenena

Avy amin'i Wikipedia

Ny abidy ara-drafipeo iraisam-pirenena hafohezina hoe API (Alphabet Phonétique International) amin'ny fiteny frantsay, na IPA (International Phonetic Alphabet) amin'ny fiteny anglisy, dia abidy ampiasaina ho an'ny fanoratana ny feon'ny fiteny tenenina. Izy io dia tsy ohatra ny fomba fanoratana an'ny vondrom-piteny, ny AAI dia abidy natao mba handrakotra ny ankapoben'ny fiteny rehetra. Navelatry ny mpandinika rafi-peo frantsay sy britanika ho an'ny Fikambanana ara-drafipeo iraisam-pirenena, navoaka tamin'ny 1888 izy. Natao tamin'ny 2005 ny famerenana farany.

Tantara[hanova | hanova ny fango]

Ny AAI dia noforonin'ny mpampianatra britanika sy frantsay taritin'i Paul Passy ho an'ny fikambanana ara-drafipeo iraisam-pirenena, noforonina tany Paris tamin'ny 1886 ary nitondra Dhi Fonètik Tîcerz' Asóciécon. Ny santiôna voalohan'ny AAI, navoaka tamin'ny 1888, dia avy amin'ny abidy rômikan'i Henry Sweet, io avy amin'ny abidy manara-peon'i Isaac Pitma, sy Alexander John Ellis.

Nohatsaraina in-dimy ny AAI, tamin'ny 1900, 1932, 1989, 1993 ary tamin'ny 2005.

Fomba fanoratana[hanova | hanova ny fango]

Ny tanjon'ny dikan-tsoratra amin'ny alalan'ny AAI dia mizarazara ny volana ho singam-bolana izay lazaina fa tsy azo sarahina, ary mampiasa eva tokana ho an'izy ireo.

Eo amin'ny 118 eo ho eo ny isan'ny soratra ao amin'ny AAI, izay ahafahana manoratra ny feo hita matetika. Ireo litera ireo dia litera avy amin'ny abidy grika na latina, izay ahitana fiovana na tsia : ɾ, ɽ, ɺ, ɹ (avy amin'i r) ; ɘ, ə (avy amin'i e). Soratana amin'ny alalan'ny litera matetika hita miaraka amina diakritika (miisa 76) ireo renifeo na zanapeo tsy hita matetika. Ohatra, soratana [β̞] ny b ny teny kastiliana caber. Misy koa litera manokana hanoratana ny feo toy ny tsindrim-peo : [ˈdʊl·dn̩], fanoratana amin'ny AAI ny matoanteny alemana dulden.


Ny slash (fônôlôjika) sy ny fonosana mahitsy (ara-drafipeo)[hanova | hanova ny fango]

  • Amin'ny haitsikerafiteny dia atao anelanelana slash, izany hoe manome ny fanononan'ny teny fa tsy manome ny antsipiriany. Anaty rakibolana no ahitana io karazana fanononana io.
  • Ny fanononana anaty fonosana mahitsy dia fanononana ara-drafipeon'ny teny. Betsaka ireo mety ho fanononana ara-drafipeo ary arakaraky ny faritra, na arakaraky ny mpanonona io fanononana io.

Noho ny habetsahan'ny fanononana ara-drafipeo, dia ny fanononana fônôlôjika no tena ampiasaina.

Ny Abidy ampiasain'ny AAI[hanova | hanova ny fango]

5.1
Ny sary momba ny renifeo sy zanapeon'ny AAI

= Famisavisana ilay abidy[hanova | hanova ny fango]

pito mojado

Unicode[hanova | hanova ny fango]

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Ny renifeon'ny fiteny malagasy amin'ny AAI
Litera Feo
b b
p p
m m
f f
v v
d d
t t
s s
z z
ts ts
j dz
tr ʈʂ
dr ɖʐ
r r
l l
n n
ñ ŋ
k k na kj
g g na gj
h h
Ny zanapeon'ny fiteny malagasy amin'ny AAI
Litera Feo
a a
i i
e e
o u
ô o

Rohy ivelany[hanova | hanova ny fango]

Amin'ny fiteny frantsay[hanova | hanova ny fango]

Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.