Hankany amin'ny vontoatiny

Vondrom-poko

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Foko)
Olona avy amin' ny foko isan-karazany

Ny foko na vondrom-poko dia vondron' olona mihevitra ny tenany ho iray razana, iray tantara sy fedrà, iray kolontsaina, iray fiteny na fitenim-paritra, iray fomba fiainana. Mety ho ny sasany amin' ireo singa famaritana ireo ihany na izy rehetra no hamaritana ny foko na ny vondrom-poko. Mifamatotra amin' ny fananana lovan-kolontsaina iraisana ny maha anisan' ny foko iray ny olona na ny vondron' olona iray, ka anisan' izany ny lovantsofina na ny fomba amam-panao nolovaina, ny anjara asa sahanina eo amin' ny fiarahamonina, ny faritra niaviana, ny foto-pisainana, ny fivavahana, ny fomba fahandroana sakafo, ny fitafiana, ny mozika, ny dihy, sns. Tsy misy famaritana tokana eken' ny rehetra momba ny atao hoe foko na vondrom-poko na dia ampiasaina betsaka aza ireo teny ireo.

Teny malagasy

[hanova | hanova ny fango]

Amin' ny fitenim-paritra malagasy sasany dia manondro ny faka mibontsina (vodin-javamaniry) na taho ambany tany (atao hoe taranja koa), na ny ampahany milevina ao anaty tany izay sisa tavela rehefa maty ny rantsany sy ny raviny, ka afaka mitsiry mba hamelona indray ilay zavamaniry. Avy amin' ny teny maley hoe "pukuk" ny io teny io amin' ny heviny momba ny zavamaniry, araka ny lazain' i Pierre Boiteau[1].

Raha ampiharina amin' ny olombelona io teny io dia manondro vondron' olona taranaky ny razana iombonana, nonina amin' ny tanàna na faritra iray, ary iray fasana na toeram-pandevanana, fara fahakeliny mitovy amin' ny fianakaviana. Araka io heviny io dia matetika tononina amin' ny anaran' io razana iombonana io ilay foko.

Taty aoriana vao izay nivelatra kokoa ny hevitr' io teny io ka nanondroana vondron' olona manana kolontsaina na fiteny na fitantanana izay manana razambe iombonana na tsia. Rehefa nadika amin' ny teny malagasy ny Baiboly dia nanondroana ny fizaràna roa ambin' ny folo ao amin' ny vahoakan' i Israely (Israelita) ny teny hoe "foko" ka mifanandrify amin' ny hoe "tribu"[2] na "tribe" na "clan" amin' ny teny frantsay na amin' ny teny anglisy.

Nandritra sy taorian' ny fanjanahantany teto Madagasikara, ny teny hoe "foko" dia nanondroana vondron' olona monina amin' ny faritra iray eto Madagasikara, iray fomba amam-panao, iray na mifanakainy fiteny, manana tantara ara-pôlitika iraisana, ary heverina ho vahoaka miavaka amin' ny mponina hafa eto amin' ny Nosy. Mbola niitatra ihany ny hevitr' io teny io rehefa ampiasaina ho voambolana teknika, ka manaraka ny fiitaran' ny hevitry ny teny hoe "ethnie" na "ethny".

Ny halehiben' ny vondrom-poko iray

[hanova | hanova ny fango]

Mety hahitana olona an-jatony tapitrisa ny vondrom-poko lehibe indrindra amin' izao fotoana izao (ohatra, ny Hàna (Sinoa), ny Arabo, ny Rosiana, ny Bengaly, ny Latinô-Amerikana, sns.) ary mety miparitaka any amin' ny firenena maro (zanaka am-pielezana na diaspôra) fa ny kely indrindra dia mety hahitana olona an-jatony vitsivitsy na am-polony, ​​ary maro ny firenena onenana foko samihafa. Matetika no mamorona zana-bondrona (atao ara-tantara hoe "fokom-pirenena") ny vondrom-poko lehibe, ka mety hisaraka amin' ilay foko lehibe io zana-bondrona io mba ho lasa foko mahaleo tena, nefa ara-kolontsaina fa tsy ara-boajanahary izany dingana izany (araka ny filazan' ny sôsiôbiôlôjia). Manohy mampiasa fiteny mpihavana ny foko avy amin' io vondrona voalohany io ary mivondrona ho vondrom-poko ara-piteny (Banto, Latina, Jermanika, Slava, Iranika, Torkika, Aostrôneziana, sns.). Misy ihany koa ny dingana mifanohitra amin' izany, izay ahafahan' ny foko roa na maromaro mizara ny kolontsainy (fifanambadian' ny tsy mitovy foko, fampifangaroana singa ara-kolontsaina, tsy fisian' ny fiavahana ara-poko intsony, sns.) na manolotra sy mandray singa ara-kolontsaina (fandraisana ny kolonsaina vahiny, fandraisana ny kolontsain' ny tompon-tany, sns.).

Mbola iadian-kevitra noho ny fepetra famaritana izay miovaova arakaraka ny mpanoratra sy ny lalàna ary ny firenena, ny atao hoe "foko" izay tsy voafaritra mazava, fa na izany aza dia ampiasaina betsaka io teny io (fanasokajiana ôfisialy ny olona manana zo samihafa, antony manosika ny fitakiana, sns.). Ary maro ireo karazana foko eto Madagasikara.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]
  1. Pierre Boiteau, Marthe Boiteau, Lucile Allorge-Boiteau, Dictionnaire des noms malgaches de végétaux, Editions Alzieu, 1999.
  2. "Foko", Abinal Antoine sy Malzac Victorin, Dictionnaire malgache-français, 1888.