Fianakaviana

Ny fianakaviana dia vondron'olona atambatry ny rohim-pihavanana noho ny fifandraisam-pianahana na noho ny fanambadiana, izay mifampizara raharaha sy mifampikarakara amin'ny hafa. Ny fianakaviana dia vondrona voaforon' ny olona monina ao anatin' ny tokantrano iray amin' ny ankapobeny, izay mifamatotra amin' ny maha taranak' olona iray (noho ny fahaterahana ekena) na noho ny firaiketam-po (fanambadiana na fifandraisana hafa) izay .
Ny fianakaviana no fototry ny lamina ara-piarahamonina sady maneho ny vondrona ara-piarahamonina voalohany izay mitaona sy voataonan' ny olona sy ny andrim-piarahamonina hafa. Ny fianakaviana, amin' ny heviny mibelatra, dia voaforon' ny olona na vondron-tokantrano maromaro mifandray noho ny maha iray taranaka (miseho na heverina ho toy izany) avy amin' ny razambe iray, avy amin' ny fanambadiana, avy amin' ny fananganana anaka na avy amin' ny fihavanan' ny fianakavian' ny mpivady. Mifangaro amin' ny hoe fokom-pianakaviana ny fianakavina amin' io heviny miveletra io. Ao anatin' ny fianakaviana iray dia misy foana ny elanelam-pihavanana, izay akaiky na lavitra kokoa. Matetika no mitondra anaram-pianakaviana, izay lovaina amin' ny razambe mivantana, ny mpikambana ao amin' ny fianakaviana iray, matetika ny ray, ny reny, ny zanany ary ny taranany. Ny fianakaviana dia miray amin' ny alalan' ny fatorana maro izay afaka mampiray ny mpikambana ao aminy, ara-môraly sy ara-materialy, sy ny mifamadika amin' izany koa, mandritra ny fiainana sy mandritra ny andian-taranaka maro.
Araka ny voalazan' i Claude Lévi-Strauss, izay manam-pahaizana momba ny antrôpôlôjia, ny fianakaviana, voalohany indrindra, dia firafi-pifandraisana, voalamina mba samy hananan'ny tsiraray amn' ny mpikambana ao aminy ny anjara toerany eo amin' ny fifandraisany amin' ny mpikambana hafa. Misy ny lamina, na mety tsy an-kiteniteny aza izany, ao anatin'ny fianakaviana, izay ateraky ny rafi-pihavanana teo aloha.
