Fiarahamonina

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Fiaraha-monina)

Ny fiarahamonina dia ny teny hamaritana ny olombelona miaina (iombonana, anisan'ireo ny tambajotra sôsialy sy ny herin-tambajotra). Noho izy tsy maintsy mampitehanampy ireo tena mahery sy manan-karena ireo mahantra, tena zava-dehibe amin'ny fiaraha-monina ny zom-pirenena, zo sy ny fotoana voafetra. Ireo no fototra fomba hahazoana rariny. Raha mirava ireo dia manomboka mihevitra fa tsy rariny ilay fiaraha-monina ary manomboka mifangalatra, tsy manaiky mifanampy, na manomboka mijery ireo mpanana noho tena fa mangalatra.

Na dia samihafa aza ny fiarahamonina tsirairay, mitovitovy ny fomba firavany: hosoka, halatra, herisetra, ady na vonom-poko raha tsy mahita ny famantarany ao amin'ny fiarahamonina intsony ny olona, ary mahafantatra amin'ny heveriny fa "foko". Amin'ny fiaraha-monina vaovao dia mety ahitana ireo olona mbola manaiky ny fitsipika na afa-belona tamin'ny fitontonganan'ilay fiarahamonina taloha.

Raha horefesina ny hery sy hiray saina ny fiarahamonina misy mpikambana vonona hanampy ny tsirairay, dia antsoina hoe kapitaly ara-tsosialy izany, satria mahasolo ny endrika kapitaly hafa ilay izy. Kely kokoa ny vola ilaina rehefa betsaka ny firaisan-kina eo amin'ny fiarahamonina, satria ny fikambanana no solon'ny vola.

Na izany aza, matetika, tsy refesina mivantana ny hery, fa heverina ihany. Manao zavatra mety mampidi-doza ny olona raha tohanan'ny fiarahamonina. Ohatra, Ireo izay tsy hankatò ny lalàna, ary manantena ny mpiara-monina aminy ho hanafaka azy amin'ny didim-pikambana amin'ny Fitsarana Ambony.

Mametraka fitsipika ho an'izany karazana fiaraha-miasa izany ny fifanarahana ara-tsosialy. Karazana fifanarahana ara-tsosialy iray ny lalàm-panorenana - izay mamela ny fitsarana ny mpitsara na ny manapa-kevitra fa ny lalàna, fa tsy ny olona, no tsy mety, araka ny fitsipiky ny fiarahamonina.

Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.