Fiteny ketsoa

Avy amin'i Wikipedia

Ny fiteny ketsoa na kitsoa dia fianakaviam-piteny ampiasaina ao Però, izay manana ny satan' ny fiteny ôfisialy nanomboka tamin' ny talna 1975, ary koa any amin' ny faritra hafa ao amin' ny faritra Andes, avy any atsimon' i Kôlômbia ka hatrany avaratra-andrefan' i Arzantina. Antsoina hoe fiteny kitsoa ny karazany ekoadôriana. Manana mpiteny eo amin' ny folo tapitrisa eo ho eo izy io, anisan' izany ny iray tapitrisa sy sasany any Ekoadôra, maherin' ny efatra tapitrisa any Però ary efa ho telo tapitrisa any Bôlivia, ary ampiasaina any an-toerana ihany koa any avaratr' i Sily. Mizara ho karazany maro izy io. Ny tena miely patrana indrindra (ao amin' ny tapany atsimo Però sy any Bôlivia) dia ilay antsoina hoe fiteny ketsoa kozkeniana, izay manana fomban-drazana an-tsoratra tranainy efa tamin' ny andron' ny fanjanahantany (taonjato faha-16).

Ny fiteny ketsoa dia lingua franca ary fiteny ôfisialin' ny Empira Inka. Ny fanitarana faritany midadasika an' ny fiteny ketsoa amin' izao fotoana izao dia noho ny nanandratan' ny satroboninahitra espaniôla azy ho amin' ny laharan' ny lengua general.