Fiteny bariba

Avy amin'i Wikipedia

Ny fiteny bariba na fiteny baatônoma dia fitenin' ny vahoaka Bariba ao Benîno sy ao Nizerià ary fitenin' ny Fanjakan' i Borgu taloha. Ao amin' ny sampam-piteny gora (na vôltaika)izay ao amin' ny fianakaviam-piteny nizerô-kôngôley no misy azy.

Iray amin' ny fiteny be mpampiasa indrindra any Benîno any amin' ny faritra avaratr' ity firenena ity sy any amin' ny tanàna lehibe any amin' ny faritra atsimo toa an' i Cotonou, Abomey-Calavi, Sèmè-Kpodji ary Porto-Novo ny fiteny bariba. Ny hoe bariba dia anarana nomen' ny mpanjanaka, angamba avy amin' ny teny hoe iôroba (yoruba). Amin' ny fiteny bariba dia atao hoe baatɔnum io fiteny io. Izao koa no mety hanoratana ny anaran' io fiteny io: baatômbo (baatombu), baatôno (baatonu), barba (barba), baroba (baruba), berba (berba) sy ny maro hafa.

Any Benîno no tena itenenana azy io, fa any ampitan' ny sisintany mifanila amin' ny Fanjakan' i Kwara sy ny Fanjakan' i Niger ao Nizerià, ary ny Bariba sasany dia ao Tôgô sy ao Borkina Fasô. Nitatitra i Welmers (1952) fa ny fiteny bariba dia ampiasaina any amin' ny tanànan' i Nikki, Parakou, Kandi, ary Natitingou.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]