Filipy

Avy amin'i Wikipedia
Ny sisam-paharavan' ny tanànan' i Filipy

I Filipy dia tanana ao Makedônia atsinanana naorin' i Filipo II, mpanjakan' i Makedônia, tamin' ny taona 356 tal. J.K. eo amin' ny misy ny tanàna kelin' i Kavala ao Grisia ankehitriny. Amin' ny teny grika dia atao hoe Φίλιπποι / Phílippoi io tanàna io.

Dingana lehibe eo amin' ny lalana Egnata[1] ny fandalovana ao Filipy na dia tanàna tsy dia lehibe loatra aza izy. Manana ny maha izy azy ara-tantara io tanàna io noho ny antony roa. Ny voalohany dia ny ady tao Filipy teo amin' ny mandany tamin' ny taona 42 tal. J.K. ka nahazoan' ny mpandova an' i Jolio Kaisara ny fandresena. Ny faharoa dia ny toriteny nataon' i Paoly tamin' ny taona 40 na 50 taor. J.K. izay niteraka ny fanoratan' i Paoly ny Epistily na Taratasy ho an' ny Kristiana tao Filipy, izay lahatsoratra nakambana ao amin' ny Testamenta Vaovao ao amin' ny Baiboly kristiana; ny sata maha "fanorenana apôstôlika" omen' io lahatsoratra io ilay tanàna no nahatonga ny lazan' i Filipy nandritra ny fotoana faramparany tamin' ny Andro Antenatenany, ary izany koa ny antony mampandroso ny fizahan-tany ao amin' io tanàna io ankehitriny.

Loharano sy fanamarihana[hanova | hanova ny fango]

  1. Ny lalana Egnata dia lalana mamakivaky ny Balkana, nohavaozin'ny Romana tamin' ny taona 146 eo ho eo, izay efa lalana makedoniana nisy taloha, .