Filazam-potoana hoavy efa

Avy amin'i Wikipedia

Ny filazam-potoana hoavy efa dia filazam-potoana manambatra ny hoavy amin' ny fanehoan-javatra efa sady enti-milaza ny fahavitan' ny asa na fisehoan' ny asa alohan' ny asa hafa samy ao amin' ny fotoana hoavy. Ahitana io filazam-potoana io ny fiteny latina sy ny fiteny nipoitra avy aminy toy ny fiteny frantsay, ny fiteny espaniôla, ny fiteny pôrtogey, ny fiteny italiana sns. Amin' ireo fiteny nipoitra amin' ny fiteny latina ireo dia foronin' ny matoanteny mpanampy sy ny ova-matoanteny amin' ny endriny lasa ny filazam-potoana hoavy efa. Amin' ny fiteny frantsay izany matoanteny mpanampy izany dia ny "avoir" na ny "être". ary atao hoe futur antérieur ilay filazam-potoana.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]