Filazam-potoana hoavy tsotra
Ny filazam-potoana hoavy tsotra dia filazam-potoan'ny matoanteny ao amin'ireo fiteny romana (fiteny frantsay, fiteny italiana, fiteny espaniola, sns) na ami'ny fiteny hafa sasany izay manambara ny fitrangan'ny asa na ny toetra iray amin'ny fotoana hoavy. Ao amin'ny filaza tsotra no ahitana io filazam-potoana io ao amin'ny teny frantsay. Ny endriky ny matoanteny izay tsy ahitana mpanampy milaza fotoana no iantsoana azy hoe tsotra (frantsay: simple).