Fifanarahana Sykes-Picot

Avy amin'i Wikipedia
Sarintany mifandraika amin' ny Fifanarahana Sykes-Picot

Ny Fifanarahana Sykes-Picot dia fifanarahana miafina teo amin' ny Fanjakana Mitambatra sy i Frantsa tamin' ny taona 1916, miaraka amin' ny fankatoavan' ny Empira Rosiana sy ny Fanjakan' i Italia, mba hamaritana ny faritra ananan' izy ireo tombontsoa sy fifehezana amin' ny fizaràna ny Empira Ôtômàna.

Ny fifanarahana dia nifototra amin' ny fiheverana fa ny Triple Entente (fifanarahan' ny fanjakana telo: ny Fanjakana Mitambatra sy i Frantsa ary ny Empira Rosiana) dia hahomby amin' ny fandresena ny Empira Ôtômàna mandritra ny Ady Lehibe Voalohany ary tafiditra ao anatin' ny andiana fifanarahana miafina momba ny fizaràna azy. Ny fifampiraharahana voalohany nitarika ho amin' ny fifanarahana dia natao teo anelanelan' ny 23 Nôvambra 1915 sy 3 Janoary 1916, ary tamin' izany fotoana izany no nanombohan' ny diplômaty britanika sy frantsay, Mark Sykes sy François Georges-Picot, ny antontan-kevitra nifanarahana. Tamin' ny 9 sy 16 Mey 1916 no naneken' ny fitondram-panjakan' izy ireo ilay fifanarahana.

Mark Sykes

Ny fifanarahana dia nampizarazara tokoa ny tanin' ny Ôtômàna ivelan' ny Saikanosy Arabo ho faritra anjakan' ny Britanika sy ny Frantsay. Nozarain' ny tsipika Sykes-Picot ny firenena fehezin' ny Britanika sy amin' ny an' ny Frantsay. Ny fifanarahana natokana ho an' ny Fanjakana Mikambana mifehy ny faritr' i Israely atsimo sy ny an' i Palestina, i Jôrdania ary ny atsimo amin' i Iràka ankehitriny, ary faritra kely fanampiny izay ahitana ny seranan-tsambon' i Haifa sy i Akko mba hamela ny fidirana ao amin' ny Ranomasina Mediteranea. I Frantsa dia natao hifehy ny faritra atsimo-atsinanana amin' i Torkia, ny Faritr' i Kordistàna, i Siria ary i Libanona.

Vokatry ny fifanarahana Sazonov-Paleologue, i Rosia dia tokony hahazo an' i Armenia Andrefana ankoatra an' i Kônstantinôpla sy ny Andilan-tany Tiorka efa nampanantenaina tamin' ny Fifanarahana tao Kônstantinôpla tamin' ny taona 1915. Nanaiky ilay fifanarahana i Italia tamin' ny taona 1917 tamin' ny alalan' ny Fifanarahan' i Saint-Jean-de-Maurienne ary nahazo ny faritra atsimo amin' i Anatôlia. Ny faritr' i Palestina, izay manana faritra kely kokoa noho i Palestina notantanan' ny Britanika taty aoriana, dia tokony ho eo ambanin' ny "fitantanana iraisam-pirenena".

François Georges-Picot

Ilay fifanarahana dia nampiasaina mivantana ho fototry ny fifanarahana Modus Vivendi Anglô-Frantsay tamin' ny taona 1918, izay nanome rafitra ho an' ny fitantanana ny Tanim-Pahavalo Voabodo ao Ampiposahana. Amin' ny ankapobeny dia nitarika ankolaka ho amin' ny fizaràna manaraka ny Empira Ôtômàna taorian' ny faharesen' ny Ôtômana tamin' ny taona 1918. Fotoana fohy taorian' ny ady, ny Frantsay dia nanolotra an' i Palestina sy an' i Mosul ho an' ny Britanika. Notendrena tamin' ny fihaonambe natao tao San Remo tamin' ny Aprily 1920 ireo didy mamela hitantana an' Ampiposahana sy an' i Mesôpôtamia taorian' ny rafitra Sykes-Picot; ny fitantanan' ny Britanika an' i Palestina dia naharitra hatramin' ny 1948, ny fitantanan' ny Britanika an' i Mesôpôtamia dia tokony hosoloina fifanarahana mitovy amin' i Iràka notantanin' ny Britanika, ary naharitra hatramin' ny 1946 ny fitantanan' ny Frantsay an' i Siria sy an' i Libanona. Ny ampahan' ny fifanarahana momba an' i Anatôlia dia nofaritan' ny Fifanarahana tamin' ny Aogositra 1920 tao Sèvres; na izany aza dia nosakanan' ny Ady ho an' ny Fahaleovantena Tiorka tamin' ny taona 1919–1923 sy ny Fifanarahana tao Lausanne ireo faniriana ireo.

Heverin' ny maro ho kihon-dalana amin' ny fifandraisana eo amin' ny Tandrefana sy ny Arabo io fifanarahana io. Niverenana noresahina indray ny fampanantenana nataon' ny Fanjakana Mitambatra tamin' ny Arabo momba ny tanindrazam-pirenena arabo any amin' ny faritr' i Siria Lehibe ho takalon' ny fanohanany ny Britanika sy ny fanoherany ny Empira Ôtômàna.

Ny fifanarahana, miaraka amin' ny hafa, dia navoakan' ny Bôlsevika tao Môskoa tamin' ny 23 Nôvambra 1917 ho fanta-bahoaka ary naverina tao amin' ny The Manchester Guardian tamin' ny 26 Nôvambra 1917, ka "menatra ny Britanika, toran-kovitra ny Arabo ary faly ny Tiorka". Niteraka lonilony tao amin' ny faritra ny lova navelan' ilay fifanarahana, tsy teo amin' ny Arabo ihany fa koa teo amin' ny Kiorda izay tsy nahazo zo hanangana fanjakana mahaleo tena.