Fidelis Rakotonarivo

Avy amin'i Wikipedia

Mombamomba ankapobeny:[hanova | hanova ny fango]

I Fidelis Rakotonarivo dia mompera zezoita, eveka ao amin'ny diosezin'Ambositra, ao amin'ny arsidiosezin'i Fianarantsoa ao amin'ny Eglizy Katôlika Apôstolilka Rômanina eto Madagasikara. Eveka faharoa mitantanana ny Diôsezy Ambositra (2005-...). Izy no nandimby an'i Mgr Fulgence Rabemahafaly, izay lasa Arsevekan'i Fianarantsoa, taorian'ny fisotroandrononon'i Mgr Philibert Randriambololona.

Zotram-piainana[hanova | hanova ny fango]

Fototra ara-pianakaviana[hanova | hanova ny fango]

Rakotonarivo Fidelis no anarany feno, teraka tamin’ny 28 Aogositra 1956 tao Ambohimahazo – Manandriana. Zana-dRa-François sy Rasoaraibe Pauline. Fito mianadahy izy ireo no iray tampo ary zaza faha-6 sady faralahy izy:  3 lahy sy 4 vavy.

Fiantsoan'Andriamanitra[hanova | hanova ny fango]

Araka ny nambarany dia efa 18 taona izy no nanomboka ny fiofanana tany amin’ny Seminera Zandriny ao Kianjasoa – Fianarantsoa. Araka ny nambarany hatrany, ny nahatonga azy ho relijiozy zezoita dia "tsy nahalala fikambanan-drelijiozy misy pretra afa-tsy zezoita[1]".

Fiofanana haha relijiozy sy pretra[hanova | hanova ny fango]

  • Seminera Zandriny: Kianjasoa-Fianarantsoa
  • Fianarana asa taorian'ny Baccalauréat: 1979 – 1980 nanao Fanompoam-pirenena ivelan'ny tafika (frantsay: Service National Hors Forces Armées (SNHFA)), nampianatra tao amin’ny Collège Immaculée Conception notantanan-dry Frères de la Doctrine Chrétienne – Mananjary
  • Novisia Saint Stanislas Analamahitsy Antananarivo : 1981 – 1983  niaraka tamin’i P. Maître : Guiseppe CANCEMI,
  • Voady : 12 Janvier 1983 tao amin’ny Lasapelin’ny Scolasticat Saint Paul Tsaramasoandro Ambanidia - Antananarivo.
  • Fianarana filozofia: 1983 – 1986 tao Kimwenza – Kinshasha, Zaïre (RDC ankehitriny). Faculté Saint Pierre Canisius (Kimwenza, R. D. Congo)[2]
  • Fianarana asa Régence: 1986 – 1988 tao amin’ny Collège Saint Michel Amparibe – Antananarivo, Recteur : P . Paul-François de Torquat
  • Fianarana teolojia : 1988 – 1991 tao amin’ny Hekima College – Nairobi, Kenya[3]
  • Fianarana manokana: 1991 – 1992 tao amin’ny Centre de Spiritualité Manrèse Quebec – Canada[4] momba ny Spiritualité Ignacienne.
  • Fanamasinana ho diakra: Alatsinainy 17 Febroary 1992 tao amin’ny Paroasy Saint Fidèle – Québec ary ny eveka nanamasina : Evekan’i Québec, Mgr Maurice COUTURE. Teny faneva : “Mitia sy manompo an’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra” (Ex. Sp. n°233)
  • Asa fony diakra: Tao Manrèse ihany no sady nanohy ny fianarana.
  • Fanamasinana pretra: 15 Aogositra 1992 tao Ambohimahazo – Manandriana. Ny eveka nanamasina: ny Kardinaly Mgr Razafimahatratra Victor. Teny faneva : "Mitia sy manompo an’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra" (Ex. Sp. n°233)

Toerana nanirahana azy sy andraikitra[hanova | hanova ny fango]

  • 1992 – 1995 : Père Spirituel ho an’ny Mpianatra Premier Cycle sy ho an’ny Mpiasa tao amin’ny Collège Saint François Xavier, Fianarantsoa.
  • 1996 – 1999 : Père Spirituel ho an’ny Mpianatra Second Cycle sy ho an’ny Mpampianatra tao amin’ny Collège Saint François Xavier sady Ministry ny Communauté Saint François Xavier.
  • 1999 – 2001 : Père Spirituel ho an’ny Mpianatra École Technique Supérieur sy ho an’ny Mpampianatra tao amin’ny Collège Saint François Xavier  sady Père Spirituel no Secrétaire Comptable tao amin’ny Grand Séminaire Vohitsoa Fianarantsoa.
  • 2001 – 2005 : Père Supérieur-n’ny Résidence Zatoaty Ambositra no sady Aumônier Diocésain-ny MDMK - Diosezy Ambositra.

Fanomanana ny voady farany maha zezoita[hanova | hanova ny fango]

  • Taona fahatelo: 1995 – 1996 tao amin’ny Centre Spirituel Saint Jean Mahamanina Fianarantsoa niaraka tamin’ny Pères Instructeurs : P. De Jaer sy P. Louis Rasolo.
  • Voady mandrakizay: 17 Mey 1997 tao amin’ny Kolejy Md François Xavier Ambatomena Fianarantsoa. Teny faneva : “Mitia sy manompo an’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra” (Ex. Sp. n°233)

Fiofanana manokana natao[hanova | hanova ny fango]

Anjara toerana manokana tao amin’ny Fikambanan’i Jesoa :[hanova | hanova ny fango]

  • Membre de la Consulte de Province
  • Membre de la Commission des Vocations;
  • Membre de la Commission de Formation.

Asa teto amin'ny Diosezy Ambositra talohan'ny naha eveka[hanova | hanova ny fango]

  • Père Supérieur-n’ny Résidence Zatoaty Ambositra no sady Aumônier Diocésain-ny MDMK - Diosezy Ambositra, ary anisan’ny Filankevitry ny Eveka.

Evekan'Ambositra[hanova | hanova ny fango]

Fanendrena sy fanamasinana ho eveka[hanova | hanova ny fango]

  • Daty nanendren’ny Papa Benoit XVI[5]: 24 Jiona 2005 fony izy Supérieur tao amin’ny Zatoaty Ambositra
  • Daty sy toerana nanamasinana Eveka: 4 Septembre 2005 Ankorombe –Ambositra. Ny mpanamasina : Mgr Rabemahafaly Fulgence, Mgr Randriambololona Philibert ary Mgr Rabeony Fulgence. Teny faneva :  “Mitia sy manompo an’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra” (Ex. -Sp. n°233) - "Diligite et servite Deo in omnibus"

Fanazavana ny sary famantarana ny maha eveka[hanova | hanova ny fango]

Ny hevitry ny marik'ampinga ("Armoirie"):

  1. Ny Boribory manga: maneho an’izao tontolo izao, toeram-panompoana an’Andriamanitra sy ny namana izay havaozin’i Kristy sy velominy isan’andro amin’ny alalan’ny Eokaristia.
  2. Ny Eokaristia: Jesoa Kristy manolo-tena ho fanavotana an’izao tontolo izao. Izy loharanon’ny fahasoavana, fototra iorenenan’ny Fiangonana ary loharanon’ny Fitiavana sy ny fanompoana.
  3. Ny Ravinala: Maneho ny maha-Malagasy, tsy mifidy tany haniriana, misandrahaka faniry izay midika hoe fivohàna amin’ny manodidina sy izao tontolo izao. Ny rantsana fito dia manambara hafenoan’ny fahasoavana avy amin’i Kristy ho an’izao tontolo izao.
  4. Ny Sampana telo eo ambony: Maneho an’ Andriamanitra Trinite Masina, fiandohana sy fiafaran’ny zavatra rehetra.
  5. Ny Lakroa: Maneho an’i Kristy nijaly sy maty fa nitsangan-ko velona, mitaona antsika rehetra ho amin’ny tanjona iombonana sy hiafarana dia ny lanitra izany.

I Kristy no manosika antsika rehetra hitia sy hanompo an’Andriamanitra sy ny namana amin’ny zavatra rehetra sy amin’ny toerana rehetra. Tokana ny tanjona dia Andriamanitra Trinite Masina. Tsy maintsy mandalo amin’ny fijaliana sy ny fahatesana ary ny fitsanganan-ko velona anefa vao mba ho tonga any.

  1. Resadresaka nifanaovana taminy, tamin'ny nanomanana ity lahatsoratra ity, mialoha ny fankalazana ny faha 25 taona naha Pretra azy tamin'ny 2017.
  2. Faculté de philosophie Saint Pierre Canisius. Kimwenza, R. D. Congo Pays : Congo Langue : Français Création : 1954 Site Web : http://canisius-kimwenza.free.fr (Date de consultation du site : 2008-12-17) Adresse : . Note : Fondé en 1954 comme scolasticat de la Compagnie de Jésus en Afrique Centrale, l'Institut de Philosophie Saint Pierre Canisius est devenu Faculté de Philosophie Saint Pierre Canisius en 1992. Il est reconnu du point de vue civil depuis 1993 comme établissement d'enseignement supérieur privé. Domaines : Religion Éducation Autres formes du nom : Faculté Saint Pierre Canisius. Kimwenza, R. D. Congo Facultés Saint Pierre Canisius. Kimwenza, R. D. Congo Institut de philosophie Saint Pierre Canisius. Kimwenza, R. D. Congo Institut Saint Pierre Canisius. Kimwenza, R. D. Congo Institut St. Pierre Canisius. Kimwenza, R. D. Congo
  3. https://fr.wikipedia.org/wiki/Hekima_University_College
  4. https://www.centremanrese.org/
  5. https://fr.zenit.org/2005/06/24/madagascar-mgr-fidelis-rakotonarivo-nomme-eveque-d-ambositra/