Fiangonana tany Filadelfia
Ny Fiangonana tany Filadelfia na Eglizin' i Filadelfia dia iray amin' ireo fiangonana resahina ao amin' ny Apôkalipsin' i Joany (na Jaona) fa nandefasana taratasy.
Toerana nisy azy ara-bakiteny
[hanova | hanova ny fango]I Filadelfia dia tanàna niorina ao atsimon' i Kogamis, amin' ny lalana mampitohy an' i Sardisy (na Sarda) sy Kôlôsia (na Kôlôsy), mifanandrify amin' ny toerana iorenan' i Alaşehir (tanana any Torkia) ankehitriny.
Filazana momba azy ao amin' ny Baiboly
[hanova | hanova ny fango]7 Manorata koa ho an' ny anjelin' ny Eglizin' i Filadelfia: Izao no lazain' ilay masina, ilay marina, ilay manana ny fanalahidin' i Davida, ilay mamoha, tsy misy mahahidy, ary manidy, tsy misy mahavoha:
8 Fantatro ny asanao. Fa manan-kery kely ihany hianao, ka nitandrina ny teniko sy tsy nandà ny anarako; koa indro, varavarana mivoha tsy misy mahahidy no nataoko teo anoloanao. 9 Indro, atolotro anao ny sasany amin' ny sinagogan' i Satana, izay mihambo ho Jody, nefa tsy izy, fa mandainga; indro, hataoko tonga hiankohoka eo an-tongotrao izy ireo, dia ho fantany fa tia anao aho. 10 Ary noho hianao nitandrina ny teniko ny amin' ny fandeferana, izaho kosa hitandrina anao amin' ny andron' ny fakam-panahy, izay ho tonga amin' izao tontolo izao ho fitsapan-toetra ny mponina eto an-tany. 11 Indro, avy faingana aho; tano mafy izay anananao, mba tsy hisy haka ny satro-boninahitrao.
12 Izay handresy dia hataoko andry eo amin' ny tempolin' Andriamanitra, sady tsy hiala ao intsony; ary hosoratako eo aminy ny anaran' Andriamanitro, sy ny anaran' ny tanànan' Andriamanitro, dia Jerosalema vaovao, izay midina avy any an-danitra, avy amin' Andriamanitro, sy ny anarako vaovao. 13 Izay manan-tsofina aoka hihaino ny lazain' ny Fanahy amin' ny Eglizy. (Apô 3:7-13, Ny Baiboly Masina)