Aller au contenu

Fiangonana tany Pergamôsy

Avy amin'i Wikipedia
Ireo tanàna nisy ny fiangonan' ny Apôkalipsy

Ny fiangonana tany Pergamôsy na eglizin' i Pergama dia iray amin' ireo fiangonana resahina ao amin' ny Apôkalipsin' i Joany (na Jaona) fa nandefasana taratasy.

Toerana nisy azy ara-bakiteny

[hanova | hanova ny fango]

I Pergamôsy na Pergama dia tanàna niorina ao avaratr' i Smirna, 25 km miala amin' ny Ranomasina Egea. Ankehitriny dia atao hoe Bergama izy ao Torkia (faritanin' i Izmir).

Filazana momba azy ao amin' ny Baiboly

[hanova | hanova ny fango]

12 Ary soraty ho amin' ny anjelin' ny fiangonana any Pergamosy:

Izao no lazain' ilay manana ny sabatra roa lela maranitra: 13 Fantatro izay onenanao, dia ao amin' ny itoeran' ny seza fiandrianan' i Satana; ary mitàna mafy ny anarako ianao ka tsy nandà ny finoana Ahy, na dia tamin' ny andron' i Antipasy martiorako aza, izay lehilahy nahatoky Ahy, dia ilay novonoina teo aminareo, teo amin' izay onenan' i Satana.

14 Kanefa manan-teny kely aminao Aho, fa misy eo aminao izay mitàna ny fampianaran' i Balama, ilay nanome fo an' i Balaka hanisy fahatafintohinana teo anoloan' ny Zanak' Isiraely, hihinana hena naterina tamin' ny sampy sy hijangajanga. 15 Ary toy izany koa, misy eo aminao izay mitàna ny fampianaran' ny Nikolaita tahaka ny an' ireny. 16 Koa dia mibebaha; fa raha tsy izany, dia ho avy aminao faingana Aho ka hamely ireo amin' ny sabatry ny vavako.

17 Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain' ny Fanahy amin' ny fiangonana. Izay maharesy dia homeko mana miafina sady homeko vato fotsy, ary eo amin' ny vato dia misy anaram-baovao voasoratra, izay tsy fantatr' olona afa-tsy izay mandray azy ihany. (Apô 2.12-17, Ny Baiboly)

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]