Fiangonana katôlika tatsinanana
Ny Fiangonana katôlika tatsinanana na Fiangonana oniata dia fitambaran' ny fiangonana any Atsinanana izay miombona amin' ny Papa ao Rôma sy manaiky ny fahamboniany, nefa izy ireo manao ny fombam-pivavahana tatsinanana (kôpta, siriaka tandrefana, marônita, siriaka tatsinanana, bizantina, armeniana ary gezy). Atao hoe "Fiangonana mizaka tena" na "Fiangonana manana ny lalànany manokana" (latina: sui iuris) izy ireo ao amin' ny voambolana katôlika, nefa heverina fa Fiangonana katôlika feno sahala amin' ny Fiangonana latina. Na dia samy tatsinanana aza dia tsy Fiangonana ôrtôdôksa izy ireo. Atao hoe "Fiangonana oniata" na "Fiangonana grika katôlika" na "Fiangonana katôlika manaraka fomba bizantina" koa izy ireo. Raha ny lafiny fombafombam-pivavahana dia tsy mifanalavitra firy amin' ny fomban' ny Kristianisma ôrtôdôksa ny Fiangonana katôlika tatsinanana ka izy manaiky ny fahambonian' ny Papa ihany no tsy maha Ôrtôdoksa azy ireo.
Isan' ny Fiangonana katôlika tatsinanana ny Fiangonana katôlika marônita, kôpta, armeniana, indiana, grika, eritreana ary etiôpiana. Tsy any Atsinana sy ao Eorôpa Atsinanana ihany no ahitana azy ireo fa nanaraka ireo am-pielezana ka misy any Amerika sy Ôseania ary Eorôpa Andrefana koa.