Fiangonana latina

Avy amin'i Wikipedia
Sauter à la navigation Sauter à la recherche

Ny Fiangonana latina dia ny ampahany manaraka ny fomba tandrefana ao amin'ny Fiangonana katôlika ka ny Fiangonana katôlika tatsinanana no ampahany mifameno aminy. Amin'ny Fiangonana katôlika rehetra dia izy no lehibe indrindra. Izy koa no lehibe indrindra ao amin'ny Kristianisma tandrefana. Nampiasa ny fiteny latina izy tamin'ny Andro Antenantenany ka hatra taty aoriana fa tsy ny fiteny grika na hafa. Ny Fiangonana latina isam-pirenena amin'izao fotoana izao dia samy mampiasa ny fiteny eo amin'ny toerana misy azy fa tsy voatery ho ny fiteny latina ihany.

Indraindray koa ny Fingonana latina dia mety hantsoina hoe "Fiangonana tandrefana" na "Fiangonana katolika romana" na "Eglizy katolika romana". Mahalankalana ihany no iantsoana azy hoe "Fiangonana katôlika tandrefana". Ny hoe "Fiangonana tandrefana" koa dia indraindray mety hanondro avy hatrany ny Fiangonana latina.

Manana ny fehezan-dalàny manokana izy, dia ny Lalàna kanônika izay tsy ampiharina amin'ireo Fiangonana katôlika tatsinanana manaiky ny fahefan'ny Papa koa.

Jereo koa:[hanova | hanova ny fango]