Hetsika karismatika vaovao

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Fiangonana karismatika vaovao)

Ny hetsika karismatika vaovao dia firehan' ny kristianisma ara-pilazantsara izay manandratra avo ny fanomezan' ny Fanahy Masina. Nanomboka tao Etazonia tamin' ny fanombohan' ireo taona 1980 izany hetsika izany. Maro ny fiangonana niforona maneran-tany vokatr' io hetsika io. Ny batisan' ny Fanahy Masina nolazain' i Jesoa mialoha sy ny fanomezan' ny Fanahy Masina sivy no ivon' ny finoana ao amin' io firehana io. Ny foto-kevitry ny hetsika karismatika evanjelika dia noraisin' ny Karismatika vaovao nefa naitany sady notovonany endrika teôlôjika fanampiny toy ny ady ara-panahy sy ny tenin' ny finoana ary ny fanavaozana ara-drafitra. Araka ny tarehimariky ny Pew Research Center tamin' ny taona 2011 dia ahitana mpino miisa 305 000 000 io hetsika io.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]