Fiangonana fiton'ny Apokalipsy

Avy amin'i Wikipedia
Sauter à la navigation Sauter à la recherche
Sarintany maneho ireo tanàna misy ny fiangonana fito tany Azia: Πέργαμον (Pergamona), Θυάτειρα (Tiatira), Σάρδιες (SardisMombamomba ny Wikipediay), Φιλαδέλφεια (Filadefia), Λαοδίκεια (Laodikea), Σμύρνα (Smirna), Ἔφεσος (Efesosy).

Ny Fiangonana fiton'ny Apokalipsy na Fiangonana fito tany Azia dia fiangonana fito resahina ao amin'ny Bokin'ny Apokalipsy (Apo 2.1 – 3.13) ao amin'ny Testamenta Vaovao. Ny foiben'izy ireo dia samy ao Azia Minora avy, izay atao hoe Torkia ankehitriny. Ao amin'ny Bokin'ny Apokalipsy dia manao tonon-tsiahy ny resaky ny Tompo izay naniraka azy hanoratra any amin'ny fiangonana fito i Joany (Apo 1.11)[1], ka ireo fiangonana ireo dia:

Ny fiangonana tsirairay dia samy nanana ny evekany. Ny eveka sasantsasany amin'ireo fiangonana ireo dia fantatra tamin'ny taonjato fana-2, toa an'i Melitona avy any Sardisy sy i Polikarposy avy any Efesosy ary i Polikarposy avy any Smirna. Nanomboka tamin'ny taonjato faha-5 dia nisy ny konsily malaza izay novorina tamin'ireo toerana ireo toa ny konsily tao Efesosy na ny konsily tao Laodikea.

Loharano sy fanamarihana[hanova | hanova ny fango]

  1. "Soraty amin' ny boky izay hitanao, ka ampitondray any amin' ny Eglizy fito any Asia, dia any Efezy, Smirna, Pergama, Tiatira, Sarda, Filadelfia, ary Laodisea." (Apo 1.11, Ny Baiboly Masina) "Izay zavatra hitanao dia soraty eo amin' ny boky, ka ampitondray ho any amin' ny fiangonana fito, dia ho any Efesosy sy Smyrna sy Pergamosy sy Tyatira sy Sardisy sy Filadelfia ary Laodikia." (Apo 1.11, Ny Baiboly)