Fiangonan' i Kristy

Avy amin'i Wikipedia

Ny Fiangona' i Kristy dia fikambanan' ny fiangonana kristiana tsy miankina. Ny Fiangonan' i Kristy hita manerana an' izao tontolo izao. Amin’ ny ankapobeny, ny finoana mampiavaka azy dia ny amin’ ny filana ny batisa ho amin’ ny famonjena sy ny fandrarana ny fampiasana zavamaneno amin' ny fanompoam-pivavahana.

Fiangonana maro no milaza ny tenany ho tsy antokom-pinoana manana anarana manokana. Ny Fiangonan’ i Kristy dia nisongadina tao Etazonia noho ny hetsika famerenana amin' ny laoniny (hetsika restaorasiônista) tamin' ny fitoriana ny filazantsara tamin’ ny taonjato faha-19 nataon’ ireo vondrona izay nanambara ny fahaleovantenany tamin’ ireo antokom-pinoana sy ireo fanekem-pinoana mahazatra. Nitady "ny fampiraisana ny Kristiana rehetra ao amin’ ny vatana iray nalaina tahaka amin' ny fiangonana tany am-boalohany araka ny Testamenta Vaovao" izy ireo.

Ny hetsika famerenana amin' ny laoniny dia tsy trangan-javatra tany Amerika Avaratra fotsiny. Misy Fiangonan' i Kristy koa ny aty Afrika, ny any Azia, ny any Aostralia, ny any Amerika Atsimo, ny any Amerika Afovoany, ary ny any Eorôpa.

Loharano sy fanamarihana[hanova | hanova ny fango]