Famelabelarana faharoa ny amin' ny Seta Lehibe

Avy amin'i Wikipedia

Ny Famelabelarana faharoa ny amin' i Seta Lehibe dia lahatsoratra gnôstika. Io no famelabelarana faharoa ao amin' ny Codex VII ao amin' ny Vondrom-bokin' i Nag Hammadi. Ny papirosy kôpta, izay noheverin' ny maro fa nadika avy amin' ny teny grika, dia voatahiry sy voasoratra mazava tsara. Azo inoana fa nosoratana tany akaikin' i Aleksandria manodidina ny taona 200 taor. J.K. Tsy voatonona ao amin' ilay lahatsoratra i Seta; fa ny hoe "azo heverina ho ny lahateny na hafatra faharoa nampitain' i Jesoa, ilay fisehoan' i Seta avy any an-danitra", miorina amin' ny finoana setiana. Sahala amin' ny Apôkalipsy gnôstikan' i Petera, io lahatsoratra io dia maka fijery dôketista momba ny nanomboana an' i Jesoa amin' ny filazana fa i Jesoa dia "tsy maty araka ny tena izy, fa araka ny fisehoana ivelany". Na dia nanakiana ilay heverina ho finoana gnôstika aza i Ireneo, manam-pahaizana momba ny heresiôlôjia, fa i Simôna avy any Kirena no ilay mpisolo toerana nohomboana tamin' ny hazo fijaliana fa tsy i Jesoa, ny lahatsoratra ao amin' ny Famelabelarana faharoan' i Seta Lehibe, araka ny teny manodidina, dia milaza hoe: "ny hafa, dia ny rain' izy ireo, no nisotro ny afero sy ny vinaingitra; tsy izaho iny. Nokapohiny tamin' ny volotara aho; ary nisy anankiray hafa koa, Simôna, no nilanja ny hazo fijaliana teo an-tsorony. Olona iray hafa no nametrahany satroboninahitra tsilo.” Mampirisika ny firaisan-kina eo amin' ny samy Gnôstika koa ilay lahatsoratra, ka manome toky fa hanampy azy ireo handresy ny mpitondra sandoka sy ny mpanara-dia azy i Jesoa.