Fahitana ny Tempoly

Avy amin'i Wikipedia
Ny fahitana ny Tempolin' i Ezekiela nataon' i Charles Chipiez, mpanao mari-trano sy mpahay tantara frantsay tamin' ny taonjato faha-19.

Ny fahitana ny Tempoly dia faminaniana ao amin' ny Testamenta Taloha avy ao amin' ny Bokin' i Ezekiela. Ny Bokin' ny Apôkalipsy koa dia milazalaza ny amin' io tempoly io ao amin' ny toko faha-21, afa-tsy ny tsipiriany iray.

Fahitana ilay Tempoly[hanova | hanova ny fango]

Nahita tempoly sy fanorenan-tanàna i Ezekiela. Avy eo dia nasehon' ny anjely iray azy ny atsipiriany rehetra amin' ilay tempoly sy ny tokotaniny, ary nomena azy koa ny refin' ny rindrina, ny vavahady, ny efitra fiambenana, ny efitra fisakafoana, ary ny tempoly mihitsy. Avy eo ilay anjely nitarika an' i Ezekiela ho eo amin' ny vavahady atsinanana. "Ary, indro, tonga avy tany atsinanana ny voninahitr' Andriamanitr' i Israely, ary ny feony dia tahaka ny firohondrohon' ny rano be; ary ny tany namirapiratra noho ny voninahiny. (Ezekiela 43:2).

Nentin' ilay anjely niverina teo amin' ny fidirana amin' ilay Trano i Ezekiela, ka hitan' ilay mpaminany ny rano mivoaka avy eo ambanin' ny tokonam-baravaran' ny Trano, mitodika miantsinanana, ary midina mankany atsimon' ny alitara io rano io. Tamin' ny voalohany dia nitete ny rano, fa rehefa nitombo ny fikorianan' ny rano dia nisy riaka mikoriana any amin' ny Ranomasina Maty, ka velona indray ny trondro; ka nampivoatra ny fanjonoana izany. Eo amin' ny morony roa amin' ny riaka tsirairay dia misy hazo maniry ho sakafo sy ho fanasitranana ny olombelona.

Nahariharin' ilay fahitana avy eo ny lovan' ny foko roa ambin' ny folo, ka tsy hanadino ny mponina vahiny sy ny lehibeny, avy eo izy dia nilazalaza ny amin' ny Tanàna Masina, mitodika any atsimo, miaraka amin' ny vavahadiny 12 nomena ny anaran' ireo foko ireo. Hitondra anarana be voninahitra indrindra ilay tanàna: "I Iahveh tenany no ao" (Ezekiela 48:35).

Ny Bokin' ny Apôkalipsy dia mamaritra an' io tempoly io ao amin' ny toko faha-21 andininy faha-10, afa-tsy tsipiriany iray: ao amin' ny farany, ny tempoly dia maneho ny tenan' i IHVH ary ao amin' ilay Tanàna Masina no misy azy fa tsy any ivelany.

Fivoasana kristiana[hanova | hanova ny fango]

Nanokana boky iray manontolo ho an' ny toko faha-40 amin' ny Bokin' i Ezekiel io i Gregôrio Lehibe. Ireto misy fanalahidim-pahatakarana nomeny: ara-panahy ilay tanàna: Ny fiantrana no nanorina ilay tempoly tamin' ny vato tohanan' ny vato hafa. Ny lehilahy mandrefy dia i Kristy; ny vavahadin' ny tempoly dia ny finoana; mibanjina ny hatsarana mandrakizay ny fisaintsainana. Ny manda sy ny rindrina eo anoloana dia i Kristy sy ny mpaminaniny; ny zava-misy mandrakizay dia tsy hitan' ny olona afa-tsy amin' ny ampahany.

Ny varavarankely dia ahafahan' ny fanahin' ny olombelona mahita tara-pahazavana tsy manam-petra. Ny ambaratonga (tohatohatra) dia ny lalàn' ny fandrosoana ara-panahy, ny fitomboana miadana ny voa nafafy. Ny refin' ny efitrano dia mifanandrify amin' ny halehiben' ny fiantrana sy ny fahandrasan' ny fanantenana. Ny dingana iray eo anoloan' ny efitrano dia mariky ny finoana izay mitondra mankany amin' ny hafanam-pon' ny fiantrana. Ny varavarana eo anoloan' ny varavarana dia miresaka ny amin' ny lalan' ny tontolon' ny vatana mankany amin' ny fanahy, ary avy amin' ny fanahy mankany amin' Andriamanitra.

Ny ambaratonga valo amin' ny fidirana dia manambara ny fitsanganan' i Kristy amin' ny maty sy ny fitsangana-tsika amin' ny maty amin' ny andro farany. Ny vato miendrika goba no mariky ny fahamarinan-toeran' ny fanahin' ny olo-masina.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]