Fahefam-Pirenena Palestiniana
Ny Fahefam-Pirenena Palestiniana (amin'ny fiteny arabo السلطة الفلسطينية As-Sulṭa Al-Filasṭīniyya) dia firafitra ara-pandrindrana ao Azia andrefana. Ny faritany irindran'io firafitra io dia i Jordania Andrefana (Cisjordanie amin'ny teny frantsay, West Bank amin'ny teny anglisy), ny Sombin-tanin'i Gaza ao amin'ny faritra A sy B an'i Palestina araka ny fifanarahan'i Oslo. Manam-piloha ary antenimiera voafidy amin'ny alalan'ny fifidianana, polisy (fa tsy tafika) ary solotena any amin'ny firenena vahiny maro.