Empira Rômana

Ny Empira Rômana (amin' ny teny latina: Imperium romanum) dia ny empira lehibe indrindra tamin' ny Andro Taloha. Ny renivohiny dia i Rôma ary mifototra amin' ny tany manodidina ny Ranomasina Mediteranea ilay empira. Nitoetra nanomboka tamin' ny 27 tal. J.K. hatramin' ny fanonganana ny emperora farany tamin' ny taona 476 ny Empira Rômana.
Ny Empira no dingana fahatelon' i Rôma Taloha. Vanimpotoana faha mpanjaka ny voalohany, faha repoblika ny faharoa ary faha empira ny fahatelo.
Ny fiteny ôfisialin' ny Empira Rômana dia ny fiteny latina. Na dia izany aza, nitazona ny fiteny grika taloha ho fiteny ôfisialy miaraka amin' ny fiteny latina ny faritra atsinanana ao amin' ilay empira.
Naharitra dimanjato taona ny faritra amin' ny tapany andrefan' ny Empira Rômana. Ny faritra atsinanana izay ahitana an' i Grisy sy i Torkia dia mbola naharitra mihoatra ny arivo taona. Taorian' ny fitontonganan' ny Empira Rômana Andrefana dia lasa Empira Bizantina no anaran' ilay Empira Rômana Atsinanana, ary i Kônstantinôpla no renivohiny.
Tantara[hanova | hanova ny fango]
