Emiratan' i Transjôrdania

Avy amin'i Wikipedia
Sainan' i Emiratan' i Transjôrdania
Ny Emiratan' i Transjôrdania

Ny Emiratan' i Transjôrdana dia prôtektôrata britanika naorina tamin' ny 11 Avrily 1921, izay nijanona ho toy izany mandra-pahatongan' ny fahaleovantenany ôfisialy tamin' ny taona 1946. Atao hoe إمارة شرق الأردن / Imārat Sharq al-Urdun, izay midika ara-bakiteny hoe "Emirata atsinanan' i Jordana" izy amin' ny teny arabo.

Taorian' ny faharesen' ny Ôtômana tamin' ny Ady Lehibe I, ny faritr' i Transjôrdania dia nankinina amin' ny Fitantanana ny Tanin' ny Fahavalo Voabodo ao Atsinanana; taorian' ny fisintahan' ny Britanika tamin' ny taona 1919 dia nahazo fankatoavana ho anisan' ny Fanjakana Arabon' i Siria nofehezin' ny Hasemita, izay nitantana faritra midadasika nahafaoka ny faritra misy an' i Siria sy i Jôrdania ankehitriny. Lasa tany tsy misy tompony i Transjôrdania taorian' ny ady tao Maysalun tamin' ny volana Jolay 1920, nandritra izany fotoana izany ny Britanika tao Palestina ambany fiahian' ny Britanika mpifanolo-bodirindrina aminy dia nisafidy ny hisoroka "izay fifandraisana voafaritra tsara eo aminy sy Palestina".

Niditra tao amin' ny faritra i Abdullah tamin' ny Nôvambra 1920, nifindra tany Amman tamin' ny 2 Marsa 1921; taty aoriana tamin' io volana io dia nisy fihaonambe niarahana tamin' ny Britanika izay nifanarahana fa i Abdullah bin Hussein no hitantana ny fari-tany eo ambany fiahian' ny mandà britanika ho an' i Palestina ahitana rafi-pitantanana mizaka tena tanteraka.

Ny tarana-mpanjaka Hasemita no nitondra ny prôtektôrata, toa an' i Iràka teo ambany fitantanan' ny Britanika koa izay mifanolotra aminy, ary hatramin' ny taona 1925, ny Fanjakan' i Hejaz any atsimo. Tamin' ny 25 Mey 1946 dia lasa natao hoe "Fanjakana Hasemitan' i Transjôrdania" ilay emirata, nahazo ny fahaleovantenany feno tamin' ny 17 Jona 1946 rehefa natao ny fanaovan-tsonia tany Amman araka ny Fifanarahana tao Lôndra.

Tamin' ny taona 1949, taorian' ny nampidirana an' i Jôrdania Andrefana ho ao Palestina, sy "nampitambarana" ny andaniny sy ny ankilany amin' ny ony Jordana, dia nomena anarana hoe "Fanjakana Hasemitan' i Jordania" izy io, izay antsoina matetika hoe Jôrdania.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]