Eglizy Katôlika Etiôpiana

Avy amin'i Wikipedia
Katedraly Masindahy Mpamonjy ao Adigrat.

Ny Eglizy Katôlika Etiôpiana na Eglizy Katôlika Etiôpiana Tatsinanana dia fiangonana katôlika tatsinanana mizaka tena izay miorina ao Etiôpia. Amin' ny maha fiangonan' ny Eglizy Katôlika azy dia miombona tanteraka amin' ny Fiketrahana Masina izy. Niorina tamin' ny taona 1930 ilay fiangonana ary tarihin' ny eveka metrôpôlitana izay manara-maso diôsezy maromaro. Amin' ny fotoam-pivavahana litorjika dia mampiasa ny fombam-pivavahana aleksandrina amin' ny fiteny ge'ezy (fiteny litorjika eo an-toerana). Atao hoe Eglizy Katôlika Abisiniana na Eglizy Katôlika Gezy koa ity fiangonana ity.

Berhaneyesus Demerew Souraphiel

Io fiangonana io dia mifikitra amin' ny fotopampianarana kristôlôjika nofaritana tao amin' ny Kônsilin' i Kalkedôna ary manaiky ny fahefan' ny papa. Ireo zavatra roa ireo dia manavaka azy amin' ny Fiangonana Ôrtôdôksa Etiôpiana Teoahedo, izay anisan' ny Fiangonana Ôrtôdôksa Atsinanana izay ahitana ny ankamaroan' ny Kristiana ao amin' ilay firenena.

Ny lohan' ilay fiangonana dia mitondra ny anaram-boninahitra hoe "arseveka metrôpôlitan' i Addis Abeba an' ny Etiôpiana", izay mipetraka any Addis Abeba. Ny loham-piangonana amin' izao fotoana izao dia i Berhaneyesus Demerew Souraphiel, nanomboka tamin' ny taona 19991).