Efraima any an-tany efitra

Avy amin'i Wikipedia

I Efraima any an-tany efitra na Efrema any an-tany efitra dia tanàna na vohitra tany Jodea (na Jodia) resahin’ ny Testamenta Vaovao ao amin’ ny Filazantsaran’ i Joany (Joany 11:54). Amin' ny teny grika izany dia atao hoe τὴν χώραν ἐγγὺς τῆς ἐρήμου, εἰς Ἐφραὶμ λεγομένην πόλιν / tês khôgan erêmou, eis Ephraim legomenên polin. Araka ny fitantarana ao amin’ ny Baiboly, taorian’ ny nananganan’ i Jesoa an’ i Lazarôsy (na Lazara) tamin’ ny maty, dia nanomboka nitetika ny hamono an’ i Jesoa ny lohan' ny mpisorona sy ny Fariseo, ka nankany Efraima niaraka tamin’ ny mpianany Izy. Niala tao Efraima izy ireo taloha kelin’ ny Paska farany nataon’ i Jesoa, ka tonga tao Betania enina andro talohan’ ny Paska (Joany 12:1 ).

I Efraima dia any amin’ ny tany be havoana tsy misy voly, 13 km tany avaratra-atsinanan’ i Jerosalema, “teo amin’ ny toerana miharihary sy mivelatra” eo anelanelan’ ny tanàna afovoany sy ny lohasahan’ i Jordana. Azo inoana fa io ihany ilay toerana nisy an’ i Ôfra (Jôsoa 18:23), Efrôna (2 Tantara 13:19) ary Taybeh, tanàna kristiana any Palestina ankehitriny.