Betania

Avy amin'i Wikipedia
I Betania, tamin' ny taompolo 1940.

I Betania dia tanàna ao amin' ny Governoratan' i Jerosalema any Palestina, manamorona an' i Jerosalema Atsinanana, ao Jordania Andrefana. Atao hoe Βηθανία / Bêtania izy amin' ny teny grika fa ܒܝܬ ܥܢܝܐ / Bēṯ ʿAnyā kosa amin' ny teny siriaka. Atao hoe العيزرية / Al-Eizariya na al-Aizariya izay midika hoe "[toerana] an' i Lazarôsy" izy amin' ny teny arabo. Ny anarana hoe al-Eizariya dia ilazana ilay olo-malaza ao amin' ny Testamenta Vaovao atao hoe Lazarôsy na Lazara avy any Betania, izay araka ny Filazantsaran' i Joany, dia natsangan' i Jesoa tamin' ny maty tao amin' io tanàna io. Toerana fanaovana fivahiniana masina ilay toerana nisy ny fahagagana, dia ny Fasan’ i Lazarôsy ao amin' ilay tanàna. Eo amin’ ny ilany atsimo-atsinanan’ ny Tendrombohitra Ôliva no misy an’ ilay tanàna, 3,2 km latsaka avy eo Jerosalema. Misy mponina 22 928 ny ao amin' io tanàna io araka ny Birao Foiben' ny Antontanisa Palestiniana, io no tanàna faharoa lehibe indrindra ao amin' ny Governôratan' i Quds ao amin' ny Fanjakan' i Palestina, aorian' i Jerosalema Atsinanana, izay bodoin' ny Israeliana.

I Betania, araka ny Baiboly[hanova | hanova ny fango]

Voarakitra ao amin’ ny Testamenta Vaovao ny anaran' i Betania izay voalaza fa tanàna kely iray any Jodea (na Jodia), fonenan’ ny iray tampo amin’ i Maria avy any Betania sy i Marta ary i Lazarôsy (na Lazara), ary koa ny an’ i Simôna boka. Voalaza fa nipetraka tao i Jesoa taorian’ ny nidirany tao Jerosalema. Misy ifandraisany amin' ny tranga dimy ilay vohitra, izay isehoan' ny teny hoe Betania in-11:

  • Ny fananganana an’ i Lazarôsy tamin’ ny maty (Joany 11:1-46).
  • Ny fiverenan’ i Jesoa tany Jodea, rehefa avy nivahiny tany amin’ ny “faritra akaikin’ ny efitra, tany amin’ ny vohitra atao hoe Efraima, izay nitoerany niaraka tamin’ ny mpianany” (Joany 11:54-55). Milaza ny Filazantsaran’ i Joany fa “Henemana no sisa tsy hahatongavan' ny Paska, dia tonga tao Betania i Jesoa, izay nonenan' i Lazarôsy, izay natsangan’ i Jesoa tamin’ ny maty” (Joany 12:1).
  • Ny fidiran’ i Jesoa tao Jerosalema tamin’ ny Alahadin' ny Sampan-drofia (na Alahadin' ny Sampan-kazo), izay natombok’ i Jesoa teo akaikin’ i Betania (Marka 11:1 sy Lioka 19:29).
  • Ny nipetrahan’ i Jesoa tao Betania nandritra ny herinandro nanaraka (Matio 21:17 sy Marka 11:11-12).
  • Ny sakafo hariva tao an-tranon’ i Simôna boka, izay nanosorana diloilo an’ i Jesoa (Matio 26:6-13, Marka 14:3-9, ary Joany 12:1-8).
  • Talohan’ ny niakaran’ i Jesoa tany an-danitra (Lioka 24:50).

Ao amin’ ny Lioka 10:38-42 dia resahina ny fitsidihan’ i Jesoa ny tranon’ i Maria sy i Marta, saingy tsy voatonona anarana ny tanànan’ i Betania (tsy voaresaka koa fa hoe teo amin’ ny manodidina an’ i Jerosalema i Jesoa).

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]