Dionarintany

Avy amin'i Wikipedia
Dionarintany

Ny dionarintany dia fandrehitra azo avy amin' ny fandoroana ny arintany ao anaty lafaoro voaaro tsy ho azon' ny rivotra, amin' ny hafanana 1 000 °C mahery. Ity fomba fiasa ity dia tena mandoto ary mbola hita any amin' ny firenena an-dalam-pandrosoana. Any Eorôpa dia tsy misy afa-tsy orinasa fanamboarana dionarintany vitsivitsy misy etona sy vokatra faharoa ary faikany voaramaso. Na dia eo aza ny fitsipika ara-tontolo iainana henjana, ireo orinasa mpanamboatra dionarintany ireo dia mbola loharanon' ny fahalotoan' ny rivotra sy ny etona mampihiboka hafanana. Tsy misy zavatra mora mietona sy manjavona ny ao aminy, ary raha mirehitra izy dia sady tsy misy setroka no tsy misy fofona. Manana fahafaha-mandoro avo dia avo izy ka ampiasaina amin' ny lafaoro lehibe fampitsonihana metaly.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]