Arintany mahazatra

Avy amin'i Wikipedia
Arintany mahazatra

Ny arintany mahazatra na arintany mainty na arintany fotsiny dia vato misy karbônina, karazana arintany, misy zavatra toy ny tara antsoina hoe molanga na asfalta. Ny kalitaony dia ambony noho ny arintany linita nefa ambany noho ny antrasita (izany hoe misy karbônina 80 hatramin' ny 90 %). Mety ho mainty na manja mainty indraindray ny lokony. Matetika izy io dia mafy nefa mora torotoro. Io no betsaka indrindra amin' ny karazana arintany, izay ahitana ny tahiriny eran' izao tontolo izao, matetika any amin' ny vatolampy tandrify ny Vanimpotoana Karbônifera. Ny arintany mahazatra dia miforona any ambanin' ny tany izay misy hafanana mahatratra hatramin' ny 85 °C na ambony kokoa niho izany. Avy amin' ny fanjarian' ny zavamananaina ho karbônina izy ary azo ampiasaina ho fandrehitra.

Efa tamin' ny taonjato faha-11 no nampiasaina io fandrehitra io ary ny fitrandrahana azy dia nahatonga ny revôlisiôna indostrialy tamin' ny taonjato faha-19. Nanomboka teo ity karazana arintany ity dia iray amin' ny loharanon' angovon' aratra lehibe indrindra tany amin' ireo firenena indostrialy. Ny arintany mahazatra dia ampiasaina voalohany indrindra amin' ny famokarana herinaratra sy amin' ny indostrian' ny tsỳ. Ny arintany mahazatra mety amin' ny fandrendrehana vy dia tsy maintsy kely solifara sy fôsfôro.

Faamokarana arintany tamin' ny taona 2005

Ao anatin' ny indostrian' ny fitrandrahana arintany, ity karazana arintany ity dia fantatra amin' ny famoahana etona mampidi-doza mety hiteraka fipoahana any ambanin' ny tany. Ny fitrandrahana arintany mahazatra dia mila fomba fiarovana avolenta izay mitaky fanaraha-maso ny etona sy fampidirana rivotra tsara ary fitantanana ny toeram-pitrandrahana amin' ny fomba mailo.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]