Linita

Avy amin'i Wikipedia
Linita

Ny linita karazana arintany misy karbônina betsaka kokoa noho ny fompotra ka azo lazaina ho fandrehitra tsy dia tsara. Arintany misy karbônina 65 hatramin' ny 75 %, izay azo ampiasaina amin' ny fanafanana sy famokarana herinaratra, ny linita. Misy rano betsaka (50 %) ny linita amin' ny endriny voajanahary. Potehina sy hamainina izy mba hampihenana ny habetsahan’ ny rano ho 11 %. Izy io dia akora eo anelanelan' ny fompotra sy ny ny arintany mahazatra. Karazana arintany somary malefaka, miloko manja, mora mirehitra ny linita. Rehefa esorina amin' ny tany izy dia misy hamandoana be dia be izay manazava amin' ny ampahany ny fisian' ny karbônina kely ao aminy. Ny linita dia trandrahana manerana izao tontolo izao ary saika ampiasaina ho fandrehitra amin' ny famokarana herinaratra avy amin' ny alalan' ny angovon' etona.

Ny fandoroana ny linita dia miteraka hafanana kely kokoa noho ny hakeliln' ny etona karbônika sy solifara mivoaka raha ampitahaina amin' ny arintany hafa. Vokatr' izany, ny linita no arintany mampidi-doza indrindra amin' ny fahasalaman' ny olombelona. Mety misy metaly mavesatra misy poizina isan-karazany ny linita, anisan' izany ny akora radiôaktifa voajanahary, izay tavela ao amin' ny lavenon' ny arintany avy amin' ny fandoroana azy, izay mampitombo ny loza ara-pahasalamana mety haterany.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]