Dendy (vahoaka ao Benîno)

Avy amin'i Wikipedia

Ny Dendy dia mponina any Afrika Andrefana miorim-ponenana indrindra any amin' ny tapany avaratr' i Benîno, ao amin' ny kaominina Karimama, Malanville. Noho ny antony ara-barotra anefa, ny sasany dia nanorim-ponenana any an-tanàn-dehibe izay anjakan' ny fiteny bariba toa an' i Kandi, i Parakou ary i Djougou. Ny Dendy hita koa ao Nizera, ao Nizerià ary ao amin' ny tapany avaratr' i Tôgô, indrindra any amin' ny lemaky ny ony Niger. Miisa 195 633 izy ireo. Ny 4 505 aminy monja no monina any Nizerià. Any Nizera izy ireo dia monina manodidina ny tanànan' i Gaya.

Avy amin' ny teny sôngay ny teny hoe "Dendi" izay midika hoe "midina ny ony".

Amin' ny ankapobeny dia heverina ho zana-bondrona ao amin' ny vondrom-poko sôngay izy ireo. Ny fiteny bariba dia nisy fiantrainkany amin' ny fiteny dendy na dia samy hafa ny vondrom-piteny misy azy ireo. Mpivarotra sy mpanaraka ny finoana silamo ny Dendy.

Tamin' ny fanapahan' ny Empira Sôngay taloha dia efa nisahana raharaham-barotra teny amin' ny lalan' ny diabe izy ireo. Mbola mpivarotra ihany izy ireo ankehitriny, na mpivaro-mandeha na tsia, fa maro no mivelona amin’ ny fambolena. Mozilmana ny ankamaroany.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]