Asarhadôna

Avy amin'i Wikipedia
Sarisokitra mampiseho an' i Asarhadôna

I Asarhadôna na Asorhadôna na Esarhadôna na Esorhadôna dia mpanjakan' ny Empira Asiriana Vaovao nanomboka tamin' ny nahafatesan' i Senakeriba (na Sankeriba) rainy tamin' ny taona 681 tal. J.K. ka hatramin' ny nahafatesany tamin' ny taona 669 tal. J.K. Amin' ny maha mpanjaka fahatelo tamin' ny tarana-mpanjaka Sargônida azy, i Asarhadôna no malaza indrindra amin' ny fandreseny sy ny fahazoany an’ i Ejipta tamin’ ny taona 671 tal. J.K., izay nahatonga ny empirany ho ny lehibe indrindra teto amin’ izao tontolo izao, ary noho ny fanorenany indray an’ i Babilôna, ​​izay noravan’ ny rainy. Atao hoe Aššur-aḫa-iddina, izay midika hoe "Nanome ahy rahalahy i Ashura", izy amin' ny teny asiriana vaovao, fa אֵסַר־חַדֹּן‎ /ʾĒsar-Ḥaddōn) kosa amin' ny teny hebreon' ny Baiboly.

Taorian’ ny nisamborana an’ i Ahsurnadinshumi (Aššur-nādin-šumi), zanaka lahimatoan’ i Sankeriba sady mpandova, ary azo inoana fa novonoina ho faty tamin’ ny taona 694 tal. J.K., dia i Arda-Mulissu, zananilahy faharoa, ilay mpandova vaovao, saingy tamin’ ny taona 684 dia i Asharhaddon, zandriny lahy, no voatendry fa tsy izy. Tezitra tamin’ io fanapahan-kevitra io i Arda-Mulissu sy ny rahalahiny iray hafa, i Nabû-šarru-uṣur, ka namono ny rainy tamin’ ny taona 681 tal. J.K. ary nikasa haka ny fitondrana ny Empira Asiriana Vaovao. Ny famonoana, sy ny fanirian' i Arda-Mulissu ho lasa mpanjaka, dia nahatonga ny fiakaran' i Asharhaddon teo amin' ny seza fiandianana ho sarotra ary tsy maintsy nanao izay handresena ny rahalahiny tamin' ny ady an-trano naharitra enina herinandro i Asharhaddon.

Tsy nampoizina sy nanahirana an' i Ahsarhaddon ny fikasan' ny rahalahiny hanongam-panjakana ary nahartonga azy ho voan' ny paranôia (aretin-tsaina miseho amin' ny alalan' ny fatahorana fanenjehana) sy tsy fahatokisana ny manampahefana sy ny governora ary ny fianakaviany mandra-pahatapitry ny fitondrany. Vokatr' io paranôia io, ny ankamaroan' ny lapa nampiasain' i Asharhaddon dia nisy manda fiarovana mafy orina teo ivelan' ny foiben-toerana lehibe ho an' ny mponina amin' ny tanàna rehetra. Mety ho noho ny tsy fahatokisany ny havany lahy koa angamba, ny havan' i Asharhaddon vehivavy, toa an' i Naqiʾa reniny sy ny zanany vavy Šērūʾa-ēṭirat, dia navela hanana fahefana ara-pôlitika bebe kokoa nandritra ny fitondrany raha ampitahaina amin' ny vehivavy tamin' ny vanim-potoan' ny tantaran' i Asiriana teo aloha, afa-tsy i Sammuramat tamin' ny taonjato faha-8 tal. J.K. angamba.

Na dia teo aza ny fitondrana fohy sy sarotra, ny paranôia, ny fahaketrahana ary ny aretina tsy tapaka nahazo azy, i Asharhaddon dia mbola nekena ho anisan' ny mpanjaka asiriana lehibe sy nahomby indrindra. Nandresy haingana ireo rahalahiny izy tamin’ ny taona 681, nahavita tetikasa lehibe sy ahazoan-daza tany Asiria sy Babilônia izy, nahomby tamin’ ny diabe fanafihana tany Media, tany Persia, tany Elama, tany amin' ny Saikinosy Arabo, tany Anatôlia, tany Kaokazy, ary tany Ampiposahana, nandresy ny Empiran' i Kosy ary nandresy sy nahazo an' i Ejipta sy i Libia, nampihatra fifanekena fanompoana avy amin’ ny Mediana sy ny Persiana ary nanome antoka fitondrana tetezamita am-pilaminana mankamin' ireo zanany roa lahy sady mpandova an’ i Ashurbanipal tamin’ ny naha mpanapaha ny empira azy sy Šamaš-šuma-ukin ho mpanjakan’ i Babilôna taorian’ ny nahafatesany.