Ariosy

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Arius)
I Ariosy

I Ariosy dia mpitondra fivavahana izay nanorina ny foto-pampianarana kristiana fantatra amin' ny anarana hoe arianisma. Teraka tamin' ny taona 256 tao Kirenaîka izy ary maty tamin' ny taona 336 tany Kônstantinôpla. Atao hoe Ἄρειος / Areos izy amin' ny teny grika.

Teraka tao Libia i Ariosy. Nianatra tao amin' ny sekolin-teôlôjian' i Lokiano an' i Antiôkia izy alohan' ny hanokanana azy ho pretra. Rehefa lasa pretran' i Aleksandria izy dia nifanohitra tamin' ny evekany tamin' ny taona 319 momba ny maha Andriamanitra an' i Kristy, ary nitsipaka ny fananan' i Kristy natiora roa. Izy no lohany amin' ireo mpiaro ilay rijan-kevitra milaza fa ny persôna telo (Olona telo) ao amin' ny Trinite (ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina) dia miavaka tsara (tsy mifangaro) sady samy hafa (tsy mitovy). Amin' i Ariosy dia nateraka ny Zanaka ka tsy ananany ny fisiana mandrakizay izay an' ny Ray, sady tsy miray sobstansa amin' ny Ray izy. Nohelohin' ny Fiangonana ôfisialy izany fampianarany izany, izay natao hoe fampianaran-diso.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]