Aller au contenu

Angadinomby

Avy amin'i Wikipedia
Angadinomby sinoa tamin' ny taona 1637

Ny angadinomby dia fitaovana ampiasaina amin' ny fambolena amin' ny fanaovana vadi-bainga ny tanimboly. Ny vadi-bainga dia mampalemy ny tany ary manomana azy ho amin' ny famafazana. Izany koa dia ahafahana mandevina ny sisa tavela amin' ny voly teo aloha, ny ahi-dratsy, ny zezika, ary manafaingana ny fanjarian' ny akora ôrganika ho mineraly amin' ny alalan' ny fampitomboana ny hafanan' ny tany.

Na dia atao hoe "angadinomby" aza ny anarany amin' ny teny malagasy dia mety ho omby tokoa no mitarika ity fitaovana ity na soavaly na boriky na milina misy môtera. Ny "angadinomby" môderina, entin' ny traktera izay mihamatanjaka hatrany, dia mety ahitana rantsana maro miara-miasa.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]