Angady

Avy amin'i Wikipedia
Angady kely fampiasa amin'ny tany be tanimanga sy angady fampiasa amin'ny tany be fasika

Ny angady dia fitaovan'ny mpiasa tany izay ampiasainy hamadibadihana sy hampahalemy ny nofon-tany ao amin'ny velarana kely. Ampiasaina mba hampahalemy ny tany mety mahatratra any amin'ny 35 sm amin'ny famadibadihana ny nofon-tany. Ny angady dia misy lelany metaly (vy, tsỳ, sns) ary tahony hazo na plastika na metaly koa indraindray.

Ny famadibadihana ny tany dia ahafahana mandevina ny zezika avy amin'ny biby sy zavamaniry mba hahabetsaka ny poti-javamananaina ao amin'ny tany. Manampy amin'ny fanapahana ny fakan-javamaniry sy amin'ny fanongotana ny legioma sasany (karaoty, poarô) koa ny angady.