Hankany amin'ny vontoatiny

Anamamy

Avy amin'i Wikipedia
Anamamy (Solanum americanum )
Solanum nigrum

Ny anamamy dia zavamaniry mitovitovy izay samy ao amin' ny antoko Solanum sy ny fianakaviana Solanaceae. Ireto ireo zavamaniry ireo, izay manana anarana hafa koa amin' ny teny malagasy:

  • Solanum americanum Mill. (na Solanum nodiflorum Jacq.) -- anamamy, anantsatria, anantsindrana, avaizo, bemine, mailo
  • Solanum nigrum L. -- amafaitra, amelo, anamafaika, anamainty, anamamidia, anamamy, anamangidy, anangitakely, anantsatria, anantsatry, famoizan' aretina, hanga, voanamainty, voananana, voanantay

Ny teny malagasy hoe "anamamy" dia matetika kokoa no anondroana ny Solanum americanum.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]