Voanantay



Ny voanantay dia zavamaniry ahitra ao amin' ny filaharana Solanales, fianakaviana Solanaceae, ao amin' ny vondron-karazana Solanum manan-danja, karazana anamamy, izay ahitana koa ny ovy, ny baranjely, ny voatabia ary ny manganana. Solanum nigrum ny anarany ara-tsiansa. Amin' ny teny malagasy izy dia atao hoe amafaitra, amelo, anamafaika, anamainty, anamamidia, anamamy, anamangidy, anangitakely, anantsatria, anantsatry, famoizan' aretina, hanga, voanamainty, voananana, ary voanantay.
Tahaka ny Solanaceae rehetra, ny taova sasany amin' ilay zavamaniry (anisan' izany ny voany manta) dia misy gliokôalkalôida misy poizina, ka izany no mahatonga io zavamaniry io ho tsy tian' ny olona volena (ny voany manta mitovy endrika sy habe amin' ny pitipoà). Ity zavamaniry ity dia azo ampiasaina amin' ny fitsaboana ary ambolena hohanina any amin' ny faritra sasany eto an-tany.
Ho an' ny Malagasy, ny voanantay dia matetika maniry amin' ny antontan-jezika na amin' ny toerana fangeren' ny olona (matetika, araka ny fomba nentim-paharazana, eny atsimon-tanàna). Mba hisorohana ny aretina dia voarara ny fihinanana azy ireo.
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]- Anamamy
- Ny hoe anamafaitra sy anamafaika ary anamangidy dia anarana amin' ny teny malagasy iantsoana koa ny Glinus oppositifolius (Mollugo oppositifolia taloha).
- Ny hoe anantsatria dia anarana amin' ny teny malagasy iantsoana koa ny Solanum nodiflorum (ilay tena fantatra amin' ny anarana hoe anamamy).