Hankany amin'ny vontoatiny

Baranjely

Avy amin'i Wikipedia
Baranjely

Ny baranjely na bana dia karazana zavamaniry mamony ao amin' ny fianakaviana Solanaceae ao amin' ny filaharana Solanales, izay ambolena maneran-tany hahazoana ny voankazo azo hanina. Atao hoe Solanum melongena ny anarany ara-tsiansa. Ny voany, ilay miloko volomparasy matetika, dia ampiasaina ho legioma amin' ny fandrahoan-tsakafo.

Baranjely

Zavamaniry teratany any Azia ny baranjely izay nanomboka novolena tamin' ny vanim-potoana talohan' ny tantara. Anisan' ny karazana baranjely telo ambolena miaraka Amin' ny baranjely afrikana ( Solanum aethiopicum L. (baranjely mangidy) na gilo, ary Solanum macrocarpon L., na gboma) ny Solanum melongena.

Legioma voany ahitana fitambarana fenôlika betsaka sy alkalôida ny baranjely ka misy fiantraikany tsara amin' ny fampihenana ny hatavezan' ny tsinay sy ny kibo ny fihinanana azy.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]