Amena

Avy amin'i Wikipedia

Ny hoe Amena na Amen dia fanambaràna fankatoavana ataon' ny mpino ao amin' ny fivavahana abrahamika izay hita voalohany ao amin' ny Baiboly hebreo, avy eo ao amin' ny Testamenta Vaovao. Ampiasaina amin' ny fivavahana jiosy sy kristianina ary silamo izy io ho teny famaranana na ho valin' ny vavaka atao, na famaranana fihirana koa. Avy amin' ny teny hebreo hoe אָמֵן /ʾāmēn ("ho tanteraka anie izany", "ho izany tokoa izany", "aoka ho marina izany" nefa koa "amin' ny fahamarinana") io teny io. Amin' ny teny siriaka dia atao hoe ܐܡܝܢ / 'amīn; amin' ny teny arabo dia iny hoe آمين /ʾāmīn. Amin' ny teny grika kosa dia nadika hoe ἀμήν / amḗn.

Ao amin' ny finoana silamo dia matetika io teny io dia tononina amin' ny faran' ny famakiana ny sorata voalohany amin' ny Kor'any, dia ny sorata Al-Fatiha, izay miseho amin' ny endrika teny arabo hoe آمين /ʾāmīn.