Ambrôsio avy any Milano

Avy amin'i Wikipedia
Ambrôsio avy any Milano
Ankapobeny
Anarana Ambrôsio avy any Milano
Teraka taona 339
Maty taona 397
Fiaviana sy ny andraikitra
Firenena Rôma Taloha
Asa :
Fiainana manokana

Ambrôsio avy any Milano na Ambroazy avy any Milano dia evekan' i Milano tamin' ny taona 374 ka hatramin' ny 397. Dokoteran' ny Fiangonana izy, anisan' ny Rain' ny Fiangonana Tandrefana efatra, niaraka amin' i Aogostino avy any Hipôna sy i Jerôma avy any Stridôna ary i Gregôrio Lehibe. Mpanoratra sy pôeta tao Rôma izy.

Teraka tamin' ny taona 339 tao Augusta Treverorum ao tamin' ny Empira Rômana (izay atao amin' ny teny alemana hoe Trier na amin' ny teny frantsay hoe Trêves nkehitriny) izy ary maty tamin' ny 4 Avrily 397 tany Milano. Amin' ny teny latina izy dia atao hoe Aurelius Ambrosius.

Fantatra amin' ny maha mpanoratra sy pôeta azy izy, saika mpanorina ny himnôdia latinina kristiana ary mpamaky an' i Cicero sy ny Ran' ny Fiangonana grika, izay nandray ny fomba famakafakana alegôrika (ara-panoharana).

Anisan' ireo mpandray anjara tamin' ny adihevitra manohitra ny arianisma koa izy. Tao aminy no niova ho kristianina i Aogostino avy any Hipôna.

Nomen' ny Fiangonana Ôrtôdôksa sy ny Eglizy Katôlika voninahitra ho olo-masina izy. Ankalazaina isaky ny 7 Desambra izy, izany dia fetin' ny fandikana ny relikany. Tamin' ny Andro Antenatenany, ny andro firavoravoana lehibe indrindra natokana ho azy dia natao tamin' ny 4 Avrily, daty nahafatesany, na tamin' ny 7 Desambra, daty nanokanana azy ho eveka (Martirôlôjia Rômana).

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Rohy ivelany[hanova | hanova ny fango]

  • Ao amin'i Freebase: [1]
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.