Hipôna

Avy amin'i Wikipedia
Sisam-paharavan' i Hipôna, ahitana ny Bazilika Md Aogostino

I Hipôna na Hipô dia tanàna taloha any avaratra-atsinanana amin' i Alzeria. Ankehitriny izy dia ata hoe Annaba. Anisan’ ny tanàna lehibe indrindra tany amin' ny Faritanin' i Afrika rômanina izy io. I Md Aogostino dia evekan' ilay tanàna nanomboka tamin' ny taona 395 ka hatramin' ny nahafatesany tamin' ny taona 430 rehefa nanao fahirano an' ilay tanàna ny Vandala. Atao hoe Hippo Regius na Hippo izy amin' ny teny latina. Amin' ny teny frantsay izy dia atao hoe Hippone fa amin' ny teny anglisy kosa dia Hippo na Hippone.