ʿAbd-al-Bahāʾ

Avy amin'i Wikipedia

I ʿAbd-al-Bahāʾ na `Abdu'l-Bahá no mpandimby an' i Bahāʾ-Allāh teo amin' ny fitantanana ny fivavahana bahay. Taorian' ny nahahatesan' i Bahāʾ-Allāh dia nafindra tamin' ny lahimatoany atao hoe ʿAbbās Effendi (1844-1921) ny fitantanana ny fikambanana bahay. Teraka tao Teheràna i ʿAbbās Effendi ary nambara fa ʿAbd-al-Bahāʾ ("Andevo miasa ho an' ny famirapiratan' Andriamanitra"). Nomena ny anarana hoe "Ivon' ny Fanekem-pihavanana" sy "Lohan' ny Finoana" izy, afaka manazava ny hafatra nentin-drainy, izay nanendry azy ho hany tokana mpanazava manam-pahefana amin' ny asasorany[1].

Niaritra fanaovan-tsesitany sy famonjana tahaka an-drainy koa izy. Nogadraina izy ka tsy tapitra izany raha tsy tamin' ny taona 1908, fotoana nanafahan' ny Tanora-Torka azy[2]. Avy eo dia nanoria ny renivohitry ny fikambanana bahay tao Haifa (ao Israely) izy araka ny toromariky ny rainy.

Nandao ny Tany Masina izy tamin' ny volana Aogositra 1911 dia nadeha tany Eorôpa ka nivahiny tao nandritra ny efa-bolana, indrindra tao Londra sy Parisy. Nihaona tamin' ny mpino bahay tandrefana izy ka nanao valandresaka momba ny finoana bahay sy ny foto-dalàny. Tamin' ny lohataona 1912 i ʿAbd-al-Bahāʾ dia nanao dia lava nandritra ny iray taona indray tany Eorôpa sy tany Etazonia ary tany Kanada. Nanampy azy amin' ny fampielezana ny finoana bahay tany Andrefana izany ka niteraka fandrosoana lehibe, indrindra tany India sy Etazonia ary Eorôpa.

Nodimandry tao Haifa i ʿAbd-al-Bahāʾ tamin' ny 28 Novambra 1921, taorian' ny nanedreny ny zafikeliny, dia i Shoghi Effendi (1897-1957), ho mpandimby azy eo amin' ny asan' ny Mpiambina ny finoana bahay. Nalevina tao aminy maozôlean' ny Bāb eo amin' ny tendrombohitra Karmela (Carmel) ao Haifa izy ka ao hatraminizao, mandra-panamboarana ny maozôlea natokana ho azy.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Loharano sy fanamarihana[hanova | hanova ny fango]

  1. Alessandro Bausani et Denis MacEoin, « ʿAbd-al-Bahāʾ », Encyclopædia Iranica, Costa Mesa, Mazda, vol. 1,‎ 1982 (tahiry)
  2. Ny Tanora Torka dia antoko politika mpanindrahindra firenena sy revolosionera sady mpitondra fanavaozana teo amin'ny fanjakana otomàna. Nanongana ny mpanjaka farany tao, atao hoe `Abdü'l-Ḥamīd io antoko io ka nahazo ny fitondrana.