Antsirabe

Avy amin'i Wikipedia
Hanketo: Fikarohana, karohy

Antsirabe dia anisan'ny tanàna lehibe ao Madagasikara.

Jeografia

Eo amin'ny afovoan'ny nosy no misy azy, 168 km atsimon'Antananarivo manaraka ny lalam-pirenena faha-7. Renivohitry ny faritr'i Vakinankaratra izy. Izay mahalala tarehimarika momba ny velarany sy ny haben'ny mponina dia iangaviana hanampy azy eto.

Votoatiny

Jeografia [hanova]

Eo amin'ny afovoan'ny nosy no misy azy, 168 km atsimon'Antananarivo manaraka ny lalam-pirenena faha-7. Renivohitry ny faritr'i Vakinankaratra izy. Izay mahalala tarehimarika momba ny velarany sy ny haben'ny mponina dia iangaviana hanampy azy eto.

Tantara Antsirabe dia midika hoe"ilay feno sira".Io anarana io dia avy amin'ny nahitana ilay rano misy sira. Ilay tanàna dia namboarin'ilay misionera norvezianina tamin'ny faran'ny taonjato faha-19, izay, angamba nahita ilay fahagagana izay tsy takatrin' ny saina, izany hoe, ilay rano tany antsirabe dia anisan'ny rano mahery eran-tany. Taloha, ny mpanjana-tany vazaha dia nanitatra ilay hevitrahatramin'ny farany

Indostria [hanova]

Antsirabe no faritra be orinasa indrindra, ary azo lazaina fa renivohitry ny indostria malagasy.

  • TIKO (Tena Izy Ka Omeko) : orinasa mpanodina sakafo
  • COTONA : orinasa mpanodina hasy hanamboarana lamba
  • KOBAMA : orinasa mpanodina varimbazaha ho lafarinina
  • STAR : orinasa mpanamboatra ny labiera THB, sy karazana zava-pisotro isan-karazany
  • SOCOLAIT : orinasa mpanodina ronono (Nestle taloha)
  • MELIA / SACIMEM : orinasa mpamokatra sigara

Fizahan-tany [hanova]

Inona no zavatra tena anenenan'ny olona raha tsy nataony rehefa nandalo an'Antsirabe :

  • ny nandeha posy
  • ny nisotro rano visy
  • ny nitsidika an'Andraikiba sy Tritriva

Tanàna madio rivotra Antsirabe, tsy dia ahitana fitohanan'ny fifamoivoizana izany. Betsaka ny posiposy, ary anisan'ny fitaovam-pitaterana tsara dia tsara ao amin'io tanàna io koa ny bisikileta. Tsy dia lehibe loatra koa ny tanàna, ka azo atao tsara ny mitety azy amin'ny bisikileta. Misy tsangambaton'ny fahaleovan-tena mijoalajoala eo afovoan'ny tanàna.

Noho izany dia anisan'ny mandroso tokoa ny fizahan-tany amin'io faritra io. Maro ny trano fandraisam-bahiny izay niorina tao ka an'isan'izany ireo lehibe :

  • Hotel Diamant
  • Hotel des Thermes
  • Arotel
  • Aida Hotel

Tanàna rahavavy [hanova]