Ambatondrazaka
Tanàna any Madagasikara ny Tananan'i Ambatondrazaka (na Ambato), Ao anatin'ny faritan'ny Toamasina.
Ao anatin'ny faritan'ny Alaotra ny Ambatondrazaka, ny tanombary dia eo amandindonan'ny ambato.
[hanova] Jeografia
Eo amin'ny faritra Alaotra, any amin'ny tany lemaka ambolena vary any avaratra andrefan'i Antananarivo ny misy azy. Misy tanety mamaritra io tany lemaka io. Mampisy ny lavaka ny fikaohan-tany mandrovitra ny ila iray. Ny vokatr'izany dia ny fidinan'ny haabo ny ranom-parihy ; sady manimba ny tanimbary. Ny nahatonga ny hoe Ambatondrazaka dia tsangambato napetrak'i Razaka izay nataony ho solon'ny Zanany satria izy tsy mba niteraka.Eo antsimo antsinanan'ny fiangonana katolika Avaradrova no tena nipetrahany izany vato izany;saingy efa nosoloina sy nafindra toerana eo antsimo andrefan'ny fiangonana sahabo 30metatra taty aoriana.
[hanova] Orinasa fitaterana
Any Ambatondrazaka, mihena dia mihena ny sampandraharaha fitaterana, tsy tonga ao Ambatondrazaka intsony ny lamasinina na dia mbola azo ampiasaina tsara aza ny lalamby. Tsy miasa intsony koa ny seranam-piaramanidina.