Faritra Vakinankaratra

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Vakinankaratra)
Faritra Vakinankaratra
-
Fianarana no lova tsara
Firenena  Madagasikara
Faritany Antananarivo
Renivohi-paritra Antsirabe
Distrika 7
Lehiben'ny faritra Andriamasimanana Samuel Bertin
Fianarana no lova tsara
Velarantany 16 599 km2
Isam-ponina 1 803 307 mpo.
Hakitroky ny mponina 108,64 mpo/km2
Fianarana no lova tsara
Laharam-pehintany -----
Laharan-jarahasina -----
Antsirabe

Ny Faritra Vakinankaratra dia anisan' ny faritra telo ambin' ny roapolo an' i Madagasikara. Any atsimon' ny Faritanin' Antananarivo no misy azy, eo anivon' ny Nosy. Ny renivohiny dia Antsirabe.

Tantara[hanova | hanova ny fango]

Ny fanjakana Vakinankaratra, fantatra amin' ny anarana hoe ny Fanjakan' Andrantsay dia voaforon' Andrianony tamin' ny fanombohan' ny taonjato faha-17, Andrantsay dia andriana avy any Alasora, any atsimon' Antananarivo. Nandritry ny ela, ny fanjakan' Andrantsay dia any Fivavahana, any amin' ny faritanin' i Betafo. Ny anara-mponina nentiny tamin' izany fotoana izany dia "Betsileo", anarana ho entin' ny mifanila aminy any atsimo. Ny tampon-tanjaky ny Fanjakan' Andrantsay dia mety tany amin' ny taonjato faha-18 tany ho any. Ny fianjadiany dia nivelatra hatrany Menabe Sakalava, nihetsika noho ny fihetsehan' ny andriany ny mponina. Ny mpanjaka lehibe an' Andrantsay dia Andriamanalinarivo, teo an-tseza tamin' Andrianampoinimerina, miaraka amin' ny andriana Radama nanomboka ny ady tamin' ny fanombohan' ny taonjato faha-19. Hatrizay, ao amin' ny Fanjakana merina ny fanjakan' Andrantsay, ary Vakinankaratra no anarany vaovao. Isan' Imerina enin-toko izy nanomboka tamin' Andrianampoinimerina (1787-1810), ka ny fizaràna dimy hafa Avaradrano, i Vakinisisaony, i Marovatana, Ambodirano, ary i Vonizongo.

Tamin' ny andron' ny fanjanahantany, nafindra tany Antsirabe ny renilaka, lasa tanàna manan-danja fantatra amin' ny hatsiaka ny toe-taniny sy ny toetran' ny ranony.

Jeôgrafia[hanova | hanova ny fango]

Ny faritra Vakinankaratra dia voazara kaominina 26 sy distrika enina :

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Faritany sy faritra eto Madagasikara:

Rohy ivelany[hanova | hanova ny fango]

Lahatsoratra samihafa

Didy aman-dalàna