Fianarantsoa
I Fianarantsoa dia tanàna any atsimon'i Madagasikara, renivohitry ny faritan'i Fianarantsoa ary ny faritra Haute Matsiatra.
Tanàna noforonin'ny Merina tamin'ny taonjato faha 19 ho renivohitry ny tany nanjakan'ny Betsileo taloha i Fianarantsoa.
1 200 metatra ny haavon'ny toerana misy an'ilay tanàna ary efatra alina sy iray hetsy eo ny isam-ponina araka ny fanisana natao tamin'ny taona 2001.
Finoana [hanova]
Ankehitriny mpino kristianina ny ankamaroan'ny olona any Fianarantsoa. Tonga tao Fianarantsoa ny finoana kristianina katôlika tamin’ny taona 1871, tamin’ny fahatongavan’i Mompera Marc Finaz, pretra jezoita frantsay avy any Toulouse.
Fitaterana [hanova]
Mandeha eo amin'ny lalamby Fianarantsoa Côte Est ("Fianarantsoa Amorontsiraka Atsinanana") micheline farany indrindra eto an-tany.