Zanguebar

Avy amin'i Wikipedia
Ny Morontsiraka Soahily

I Zanguebar na Zanj na Zingium na ny Morontsiraka Soahily dia anarana niantsoana ny ampahany amin' ny morontsirak' i Afrika Atsinanana izay ankehitriny mitsinjara amin' i Môzambika sy i Tanzania sy i Kenia ary i Sômalia. Anisany koa ireo nosy manamorona ny morontsiraka (ny tangoronosin' i Zanzibar, ny tangoro-nosin' i Kômôro, sns) ary indraindray dia ampidirina ao koa ny morontsiraka miozolmanan' i Madagasikara (avaratra-andrefana).

Ny teny hoe Zanj na Zenj na Zinj dia fanoratana ny amin' ny abidy latina ny teny arabo hoe زنج / Zanj izay midika hoe "mainty". Nampiasain' ny mpanoratra arabo (toa an' ilay jeôgrafa Al-Yaqubi tamin' ny taona 880) mba hanondroany ny vahoaka banto ao amin' ny tapany atsimo-atsinanan' i Afrika, indrindrany faritra ielezan' ny kolontsaina soahily, izay nifanandrify amin' ny soltanatan' i Zanzibar tamin' ny taonjato faha-18. Avy amin' io teny io koa ny anaran' ny sakamalao amin' ny teny arabo (زنجبيل / zanjabīl) sy amin' ny teny eorôpeana maro (frantsay: gingembre; anglisy: ginger; espaniôla: jengibre sns) ary ny anarana ara-tsiansan' io zavamaniry io (Zingiber officinale).

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]