Wikipedia:Takelaka/6 2010

Avy amin'i Wikipedia

Ny Soeda (Sverige), na fanjakan'i Soeda (Konungariket Sverige ; AAI : [ˈko:.nɵ.ŋa.ˌri:.kət ˈsvær:.jə]), dia firenena ao Eoropa avaratra ao amin'ny faritan'i Skandinavia. Ny renivohiny dia Stockholm, ny isam-poniny dia 9 223 766 tenenina hoe soedoa. Ny teny tenenina dia ny fiteny soedoa. Ny fiteny finoa sy ny fiteny sami koa dia tenenina, indrindra any avarany. Misy matetika ny fitenim-paritra.

Ny Soeda dia mizara sisintany amin'i Finlandy any avaratra atsinanana, amin'i Norvezy any avaratra sy any andrefana ary amin'i Danmarka any atsimo.

Mpikambana ao amin'ny Vondrona Eoropeanina ny Soeda hatra ny 1995, fa tsy ao amin'ny faritra euro izy.

Miaraka amin'ny velarantaniny 449 967 km2, ny Soeda dia firenena fahatelo ngeza indrindra any Eoropa Andrefana. Ny hakitroky ny mponina any Soeda dia kely raha oharina amin'ny hakitroky ny mponin'ny firenena manodidina azy ; ankoatran'ny tanàna sy ny faritra manodidina azy ireo, ny hakitroky ny mponina dia latsaky ny 4,3 mponina/km2. 84%-n'ny soedoa no miaina any an-tanàna kanefa 1,3%-n'ny velarantany tontaliny fotsiny ny tontalin'ny velarantan'ny tanàna rehetra. Manan-danja amin'ny mpanao pôlitika sy ho an'ny ankabeazan'ny mponina ny olana mikasika ny tontolo iainana.

Ny Soeda dia hatra ny ela mpamoaka vy, varahina ary hazo. Ny fivoarana ara-indostria sy ara-toe-karena dia nanomoka tamin'ny taona 1890, nahafahan'ny soeda nivoatra, ary manana toerana tsara ao amin'ny filaharana eoropeana momban'ny IDH. Ny Soeda dia manana ranomamy be dia be eo amin'ny tany, fa tsy ampy solitany sy angôvo fosily (énergie fossile) izy toy ny solitany na ny arintany.